Averina amin’ny fadiranovana ny tantarany

Tsy mba ampitaina ny tantaran’ny fadiranovana raha tsy rehefa mahakasika kely ny fiainan’ny olona tsy mahantra : amin’ny fotoanan’ny ady, ny pesta, ny loza voajanahary mahatsiravina izay mahakasika ny firenena manontolo, na koa rehefa mety hamoa-doza amin’ny mpanana ny mahantra amin’ny herisetra ataony, amin’ny fikomiany. Ivelan’ireny toejavatra ireny dia tsy misy marika navelan’ny tantarany afa-tsy any amin’ny tahirin-kevitry ny asan’ny mpanao asa fanasoavana, ny asa fanomezana trano ialofana, na ny asan’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana. Nefa, ny mpitrongy vao homana, ry zareo ireo dia maniry ny hitahiry fahatsiarovana hafa. Faniriany ny ho afaka mahalala tantara madio sy tena marina, vavolombelon’ny toejavatra nosedraina, ny sakana mba voatohitra ihany na ahoana na ahoana, ny fara aman-dimin’ny fianakaviana mahantra mbola mitohy amin-kerimpo sy fikirizana. Ohatra ny paradisa votsotra taminy no firesany ny site vonjy maika taloha mba handanjantsika marina ny herimpony. Fantany fa ny fototry ny maha izy uombonn’izy rehetra dia tsy ny hamafin’ny lasa fa ny fanoherana nahatonga azy tsy ho levona tanteraka.

Mampalahelo anefa fa ny fahatsiarovana iombonana voatahirin’ny mpitrongy vao homana ao amin’ny traikefany dia fahatsiarovana miavaka izay ezahin’ny ambin’ny fiarahamoninaampifanaingenina amin’ny fahatsiarovana mifanhohitra aminy : fahatsiarovana tsy fahombiazana sy fahafaham-baraka.Raha mba azo natao mantsy ny nitantara tamin’ny fomba tsaratsara kokoa ary mifamaotatra amin’ny tantara ankapobeny ny fanoheran’ny razana dia mety ho tsy nampahomby ilay tantara hafa natao amboletra izay manakana ny mpitrongy vao homana tsy handray an-tanana ny hoaviny. Ny famerenana ny tantarany dia ahazoan’ny mpitrongy vao homana manambara amin’izay ny fanantenany nefa tsy atao fihomehezana.

Mifandraika amin’izany, ny fahalalana y fahombiazana ankehitriny dia hanamarina ny fanoherany sy ny fiarahany nandà izay zavatra niainany. Ny fihetsiaka toa izany koa dia miankina amin’ny traikefan’ny mpitrongy vao homana izay mahay mametraka amin’ny toerany ny toejavatra tena manan-danja ho an’ny fandravana ny fahatrana lalina. Io fahalalana io no mamerina aminy ny tena anjara asany, dia ny ho mpira-miombona antoka, ny ho manam-pahaizana manokanaizay efa manana ny traikefan’ny fahantrana lalina sy ny fandravana azy.

Ny fanontaniana fototra no  apetrany mikasika ny fari-piainany, ary izy no afaka manome ny valiny.Tsy noho izy mahavita mamakafaka akory fa noho izy tena tsara toerana amin’ny fiatrehana ny zavamisy ara-piarahamonina izay toheriny ary noho izy mitady marina hanova izany isan’andro vaky.

Ny mampiasa izay fitaovana hahatonga izany fahalalana izany hazava dia efa manongana sahady ny fithetditsika manilikilika ary efa mandray anajaraamin’ny fampidirana amin’ny fombahafa ny tena mahantra ao amin’ny fitsipi-dalaon’ny fiarahamonina.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.