Avy amin’ny asa ankapobeny mankany amin’ny asa manokana

Ampiasaina ny mahantra hanao an’izao rehetra izao, na inona io na inona, fa ny hany tadiavina dia ny hilàna azy, izay hatrany ny vinam-piarahamonina rehefa ny tombontsoa sy ny fahombiazana no alefa alohan’ny olombelona.

Io fiheverana ny olombelona mpiasa io na inona na inona vokany dia nanamarina nandritra ny fandehan’ny tantara ny fanandevozana rehetra, ny fanimbana sy ny fanararaotana ny olombelona nataon’olombelona.

Io no antony nahatonga ny mofo ho niankina tamin’ny asa ka nahatonga ny hatsembohany sy ny fijaliany ho nampiasaina hanorenana fiarahamonina izay tsy mba ny olombelona ny tanjona notratrarina.

Io fiheverana ny olombelona mpiasa io, manana anton’asa, no namotika tsikelikely ny rafitra ara-moraly sy ara-panahy ao amin’ny fiarahamonintsika maoderina (…)

« Afaka noho ny asa »no idealy natolotry ny fiarahamonina mamela malalaka. Ho setrin’izany dia namaly ny fitondrana jadona hoe : « Ny asa ihany no hanavotra anao ». Arka izany, ny fankasitrahana, ny fanajana ny olona, ny fahamendrehany, dia samy tsy nahazo fakany tamin’ny fivoarana ankehitriny.

Miasa, eny, ilaina, eny, mandray anajara amin’ny fivoarana, tsia. Satria, ho an’izany dia tokony ho nekena ho mpiasa manana ny maha izy azy manokana noho ny fahaizany asa manokana, manana fahafahana voaantoky ny asa sahaniny, ary manana fahaiza-miasa voamarina ; henoina ianao, tsy noho ianao miasa, fa noho ny asa ataonao manome hasina anao.

Tokony ho  tsy azo soloina ianao, tsy atsentsin-davaka, tsy ampiasaina, araka ny safidin’ny sasany sy ny zava-misy fotsiny ; fa tokony ho olona , noho ny asa manokana ataony, dia ankasitrahan’nyzanaka amam-parany, ankatoavin’ny tontolo misy azy, olona afaka mitolona any amin’ny sendikà, mitovy lenta amin’ny mpiasa hafa ary arovan’ireto farany ireto.

Tsy ny asa no manafaka fa ny fahamendrehana entiny. Matoa ahifika ny tontolon’ny mpitrongy vao homana,dia satria izy ilay ampahany tsy manana asa manokana, tsy manana anton’asa ao amin’ny sokajin’ny mpiasa tanana. Tsy maintsy mirotsaka an-tsehatra izy hitolona, mba hanan’ny olona rehetra asa manokana, mba hahazoan’ny tanora rehetra fiofanana amin’ny androm-piainany.

Tsy misy lalana hafa ahafahana mandrava ny rafi-piainan’ny mpitrongy vao homana.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.