Efa telo taona izay ry zareo no tsy nandeha

Mihoatra noho ny hatramin’izay, ny fitsaharana, ny fialam-boly ary ny fialan-tsasatra dia heverina ho hetsika tena ilaina. Ao amin’ity lahatsoratra ity tamin’ny taona 1986, i Mompera Joseph Wresinski dia mampahatsiahy antsika ny fahantrana matetika ataon’ny mahantra indrindra.

Arakaraka ny nanatonan’ny fotoam-pialatsasatra no nitomboan’ny firotorotoana tao amin’ny site.

Nanjary mafy loha kokoa ny ankizy,  somary mamingavinga  indraindray.

Tsy lefiny intsony ny sekoly sy ny tsy fahombiazany.

Mitaky  mafy ny mba hiatoana kely  ny ray aman-dreny. “Aiza ihany àry ny vakansy mba hiadanana amin’izay…”

Nefa rehefa mifampiresaka ry zareo dia izao no lazainy :

“hahasoa ny ankizy  io, tena mila an’io izy, hahay zavatra izy any.”

Ny sasany, efa nanomboka ny volana fevrie no nanangom-bola.

Ho an’ny ankamaroany anefa dia ho lany mialoha izany satria hisy ny karaman’ny dokotera, hisy ny hofan-trano tratra aoriana, hisy ny   trosa miavosa.

Izy rehetra dia samy niandrandra ny fanampiana ho an’ny vakansy, na koa ny mba mety hitsikian’ny vintana…

Efa nisy ny nokasaina hatao: “ handeha daholo isika rehetra miaraka amin’ny ankizy ho any amin’ny tranom-pianakaviana na koa  ho any amin’ny ray aman-dreny.”

“Hisy fiovana manomboka eo”, hoy andriamatoa Jacquet.

“Hitsabo tena aho ho afaka amin’ny fanandevozan’ny toaka. Hipetraka iray volana any amin’ny trano any Jura isika, efa nampanantenaina antsika io. Ary aorian’izay dia tena ny asa fotsiny amin’izay.”

Saingy arakaraka ny nanatonan’ny vakansy no nitomboan’ny tebitebin’ny fianakaviana.

Tsy lasa intsony ny amin’ity taona ity, nisy  ny narary , ny raim-pianakaviana tsy manana asa…

Sady tsy maintsy alefa daholo ny ankizy rehetra: Aiza ny vola?

Noho izany, halavirin’ny olona ilay mpiasa sosialy, satria tsy nofenoiny ny taratasy… Hatao inona moa, efa tsy maintsy hijanona  ihany tsinona ny ankizy.

Rehefa miresaka vakansy ny ankizy dia mikizintina ny olon-dehibe, avadiny ho antony ivazavazana daholo izao rehetra izao.

Mijanona harivariva kokoa any an’arabe ny ankizy: tsy mahafinaritra ao an-trano.

Indrindra koa moa fa ny volana mey sy jiona dia matetika fotoanan’ny fandraofana na fandroahana.

Dia iny fa mahazo kapoka ny kilonga madinika, misy lehibebe miseho ho be saina : “Ny lasy ve, zavatra masiso!”

Tsaroako ramatoa Estienne.

Taona vitsivitsy lasa izay, tsy afaka nandeha ny zanany valo: tsy nisy vola, tsy nisy fitafiana…

Valo andro izay izy no nandositra ahy.

Indray hariva, izaho efa nihomankomana ny hatory natosiny tsimoramora ny varavarana dia niditra tao an-tranoko izy.

Nipetraka teo ambony dabilio izy, nitanondrika dia nitomany.

Nony afaka kelikely dia niteny moramora hoe: “Efa telo taona izao izy ireo no tsy nandeha. Ity rainy anefa misotro… Inona no hiafaran’ireo?…”

Isika izay tsy mihevitra velively akory ny hamela na  ny iray fotsiny aza amin’ny zanatsika any aorinantsika any, ekentsika ve ny hiaina ao anatina tontolo ahitana ny zanaky ny mpitrongy vao homana tsy mba ho tonga olom-banona?

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.