Voasoratra sy re fa misy olona miaina ao anatin’ny fahantrana lalina maherin’ny 10 tapitrisa ao Eoropa.
Ao ambadik’io tarehimarika io, na ho ahy na ho anao dia misy ankizy an-tapitrisany antapitrisany izay mihevitra fa ny sekoly dia an’ny hafa fa tsy ho azy ireo. Ao ambadik’io tarehimarika io, ny ampahatelon’ireo ho tanora amin’ny taona 2000 any Eoropa dia tsy handray mihintsy izany lalana mankany amin’ny asa izany. Ao ambadik’io tarehimarika io, dia misy ireo ray aman-dreny izay tsy an’asa nandritra ny 5, 10 taona na mihoatra ary misy tsy afaka mampiasa intsony ny tanany sy ny faharanitan-tsainy. Ao ambadik’io tarehimarika io, misy ireo reny maro mamahana ny zanany eny amin’ny lasopim-bahoaka, ary isan-taona dia ankizy anarivorivony no notsoahina tamin’ny fianakaviany noho ny antony fahantrana lalina. Raha fintinina, ao ambadik’io tarehimarika io, ao Eoropa, dia misy tokantrano 3 tapitrisa voasazy hirenireny tsy misy toeram-ponenana. Fianakaviana 3 tapitrisa ao Eoropa no voahilika ho ao anatin’ny kizon’ny fahantrana lalina.
Tsy tianao ity Eoropan’ny tsy fahamarinana, ny hanoanana sy ny fijaliana ity. Eoropan’ny Zon’Olombelona, ny rariny, ny fahalalahana ary ny firaisankina no tianao. Omaly, dia saika irery ianao nanana izany faniriana izany, androany kosa , tsy irery intsony isika.
Any rehetra any , misy ny olona mijoro tahaka ny Papa, Pérez de Cuéllar, Lech Walesa, hiteny hoe tsia amin’ ny fahantrana.
Miaraka amintsika izy ireo mampahatsiahy an’ireo manana ny fahefana ara-tsiansa, ny fahefana ara-politika, ny fahefana ara-toekarena, fa tsy ataotao foana ny mikasika ny fahantrana lalina. Hidika manontolo anie ny Zon’Olombelona ary tsy ampy handravana ny fahantrana lalina ny fanamafisana fotsiny foto-kevitra, ny fanamafisana fotsiny ny zo hianatra, hiasa ho an’ny rehetra, ny zo hanana trano fonenana, ny fiahiana ara-pisiana ho an’ ny rehetra. Fa ny fanafoanana ny fahantrana lalina dia ny mitondra ny politika rehetra mamela ny tsirairay hisitraka marina ny zony.
Nilaza tamiko ny minisitra iray vao haingana hoe: “Mifototra amin’ity fanontaniana manan-danja iray ity ho ahy ny hetsika ara-politika ataoko: Miasa ho an’ireo tena sahirana indrindra eto amin’ny fireneko ve ny zavatra ataoko, ny zavatra lazaiko, ny zavatra arosoko ?”
Ry namana rehetra manoloana etoana, hatolotro ho lova ho anareo tsirairay avy ity fanontaniana ity: tena mpanorina Eoropa ho an’ny rehetra ve aho? Ny zavatra ataoko, ny zavatra lazaiko, ny zavatra arosoko ve ahafahan’i Eoropa hanafaka amin’izay ireo mahantra indrindra ? Ahafahana hanatanteraka ilay Eoropan’ ny Zon’Olombelona ve ?