Fanakaikezana sy fanalavirana

“Ny fifandraisana amin’ny fahoriana dia sady mila fanakaikezana no mila fanalavirana. Ny fanakaikezana satria ny mahantra no iraisanay, izy no manambatra anay, izy no antom-pisianay. Ny fanalavirana raha raisina ho ny mahantra no  tokony  ho afaka mampandroso anay tsy an-kijanona amin’ny maha izahay anay. Tena nahavoa be mihitsy ny Firohotana, ary ny antony dia ny fisian’olona mijaly sy  vahoaka eny am-pandehanana ka manery anay hiroso.

Ny olona no manakana anay tsy hahatonga ny vahoaka ho antony na paika na  fialana bala mba  hiadiana.  Ny olona no manery anay hiaina araka ny fanaony, hamadika ho anay ny fitempon’ny fony, ny fanantenany sy ny eritreriny. Ny vahoaka kosa dia manery anay hijanona ho izahay ihany,  ho lehilahy sy vehivavy azony ilazana hoe : « Ataovy daholo izay tianareo hatao, fa ianareo akory tsy hahatakatra na oviana na oviana, satria ianareo tsy niaina izay  iainanay ». Raha tsy afaka niteny anay izany izy dia tsy  voatery ho nanome fitenenana azy izahay”.

Joseph Wresinski

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.