Fiainana nozaraina no niteraka azy rehetra.

– Ireo mahantra ireo izany no niara-nanorina ny Firohotana taminao?

 Inona àry ny zavatra hafa azoko natao? Aza mieritreritra ahy ho nampandray anjara talohan’ny fotoana. Tao amin-dry zareo aho, tao amin’ny ankohonam-piainany. Nangatsiaka aho, noana tahaka azy rehetra.  Noheveriny ho vendrana aho noho izaho tsy mba nahay nanararaotra ny maha pretra ahy. Toy izany ohatra, indray andro, nisy renim-pianakaviana iray nanatona ahy, nangata-bola tamiko, izaho amin’io mipetraka amin’ny tany. Tsy nanan-komena azy aho ary izany no nolazaiko azy. Dia nitodika tany amin’ny mpandalo izy sady nikiakiaka hoe: «Jereonareo anie ity mompera tsy manan-komena ahy ity…» Nisy raim-pianakaviana tonga nagataka saribao tamiko, dia nilazako izy fa izaho koa aza mba mangatsiaka ka tsy manan-komena azy. Tena saika nodarohiny aho. Fa mbola kinga kokoa aho ka izy indray no natsirarako tamin’ny tany; teo no nampalaza ahy ho tepany mainty.

Hiaraka amin’iza indray àry aho? Niara-niaritra ny tsy tanty tamin’ny fianakaviana aho. Tsy zava-nitranga tsotsotra mihitsy ireo notantaraiko anao ireo. Tsy laitra nozakaina ireny satria nateza. Raha enim-bolana nety ho tanty ihany; fa ny herintaona kosa tsy zaka intsony, ary raha roa taona dia efa tsy maintsy hikomy na hitsoa-pahana dia ho rendrika miaraka amin’ny mponina. Izany ahiahy izany no niteraka ny Firohotana voalohany ; fomba iray nentina nizara ny fahoriana nololohavina isan’andro. Ny nanaraka rehetra koa dia tahaka izany daholo no nahaterahany, avy amin’ny tsy rariny tafahoatra loatra niaraha-nahita, avy amin’ny tahotra sao hiara-milentika eo daholo. Fiainana nozaraina no niteraka azy rehetra fa tsy rijan-kevitra na oviana na oviana.

 

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.