Ny mikasika ny vahoaka iray ampijaliana no tiako horesahina aminareo ; vahoaka ampijaliana satria any ivelan’ny faritry ny zontsika, tsy misy mpahalala, eny fa na dia ireo izay teren’ny zava-misy tsy maintsy hihaona aminy aza.
Eto am-panombohana an’izao fandinihana ny zo izao, dia tsy maintsy tenitenenina io vahoaka nohadinoina io, io vahoaka io, izay ho an’ny sasany dia « ny fako tsy maintsy ateraky ny fiarahamonina rehetra » ; Io vahoaka io dia ilay nolazain’izay norveziana izay tamiko herinandro vitsivitsy izay hoe : « Na dia efa seza fiandrianana aza no nametrahana ny sahona anankiray dia tsy maintsy mbola hitsotra hankany anaty fotaka ihany izy ».
Izany ny Quart-Monde eo imason’izao tontolo izao. Vahoaka izay nosimbain’ny fahoriana ny endriny, nihetraketrahana, noroahina tamin’ny trano bongo iray hankany amin’ny trano bongo iray hafa, avy any amin’ny trano fibeazana iray hankany amin’ny iray hafa, vahoaka nampahoriana sy mijaly.
Eny, lazaiko marina aminareo, ary manamafy izany miaraka amiko koa ny mpikatroka ato amin’ny Quart-Monde : io vahoaka io akory tsy nifidy ny anjarany ary mahakivy azy izany. Fijaliana ny fiainany avy amin’ny rainy nolovain’ny zanany. Tsy izy no nifidy ny tsy rariny. Laviny amin’ny eriny manontolo io satria tena maharary azy loatra.
Tafahoatra loatra ny efa nandrenesany ny momba azy hoe « hadisoany io ».Izany no nolazaina taminay tany Amsterdam, tany Marseille, tany Hambourg ary tany Liverpool. Izany foana no lazain’ny olona, isaky ny taonjato mifandimby, mikasika ny mahantra miara-miaina aminy ; izany no nolazaina nanomboka ny taonjato faha V ka hatramin’ny faha XV, rehefa noterena ny mpirenireny hivoaka ny tanàna alohan’ny hilentehan’ny masoandro, mbola izany koa no nolazaina tamin’ny taonjato faha XIX rehefa noahiahiana ny « sokajin’olona mampidi-doza ».
Hatrizay hatrizay dia nailika ny mahantra, ilay any ivelan’ny tamboho sy any ivelan’ny lalàna. Ireny no Quart-Monde, vahoaka nitondra faisana loatra noho ny tsy rariny ary noho izany dia mahalala tsara ny tena atao hoe rariny.
Ny andraikitry ny olona rehetra dia ny miasa mba hahatanteraka ilay fiarahamonina ara-drariny sy mankamamy ny fahafahana, fandaharana asa izay tsy tokony hanahirana velively akory ny fiarahamonina tsirairay sy ny taranaka mifandimby ny hamadika azy ho zavamisy iainana amin’ny fotoan’androny.
Efa natolotra antsika ny lohahevitry ny fandaharana asantsika. Efa nomena koa ny tanjona : mamerina indray ny mahantra indrindra ao anivon’ny firaisamonin’ny olombelona. Ary izany tsy any amin’ny toerana tsy ahoan-tsy ahoana fa eny amin’ny toerana voalohany. Ny mpitrongy vao homana no tsy maintsy lohalaharana amin’ny zavatra mampiasa loha antsika