“Tamin’ny fiandohan’ny taona 1960, hoatran’ny nahatsapa ho tena nitoka-monina mihintsy ny tenako sy ireo mpiara-dia tamiko ka nanjary te-hijery aho raha toa ka tsy niala teto amin’ny planeta ihany izahay, raha toa ka ny zavatra tsikaritray mikasika ny toe-piainan’ny olona faraidiny indrindra dia misy koa any an-kafa ary raha tonga saina amin’io olana io koa ny hafa.
Nitety an’i Eoropa aho izay nitondra ahy tany Alemaina, Belzika, Pays-Bas, Soisa ary Grande-Bretagne. Na taiza tany nalehako dia nahatsapako ny fitangoronan’ ireo olona anaty fahantrana lalina any amin’ny faritra ambany indrindra amin’ny fiaraha-monina, na taiza na taiza aho dia nifanehatra tamin’ ny tsy firaharahana ireo olona ireo. Tany Berlin, ohatra, no nahitako garazim-piara efa nilaozana izay nifanontofan’ ireo fianakaviana rovi- damba, tsy an’asa sy tsy manan-ko hanina.
Tany Angletera indray, dia nitsidika tranon’ny zokiolona iray aho izay nozaraina roa ka ny antsasany iray nametrahana ireo olona tena sahirana, fa ny antsasany iray kosa dia nametraha ireo zokiolona sy ny marary; fialam-boly saika isan’andro ho an’ireo ankizin’ny Tontolo faha-efatra ny fijerena ny fifamezivezen’ ny fiara mpitondra marary sy sy ny fiara mpitondra razana. Raha momba ny mpiambina indray, izay nanana ny fanalahidin’ny trano fonenana, dia afaka niditra tamin’ny fotoana rehetra tao anatin’ny fiainam-pianakavian’ireo tena sahirana.
Noho izany dia vao maika niseho tamiko mafy kokoa fa, rehefa manaiky hikarakara ny tena sahirana ny vondrom-piarahamonina, dia mitovy daholo na aiza na aiza ny fomba fitondrana azy ireo: iharan’ny fanalambaraka tsy an-kijanona ary terena hizaka ny fitsabahana tsy am-piheverana mandà ny fisian’izy ireo amin’ny maha-olona azy.”