(…) Manao ahoana ireo ankizy ao anatin’io tontolo voahilika io, manao ahoana ny fahatsapan’izy ireo ny fahantrana lalina iainany? Niampanga an’izao tontolo izao ho “namaky ady amin’ny ankizy” i Peter Townsend, manam-pahaizana anglisy malaza mikasika ny fahantrana, tao amin’ny boky nonosoratany vao haingana . Mihantsy ilay fitenenana. Mahakasika an’i Frantsa sy Belzika koa ve izany fiampangana izany ankehitriny? Raha miharihary ary aza fa tsy namaky ady tamin’ny ankizy isika, dia ho hitantsika eo fa mametra-panontaniana ihany ny sasany amin’izy ireo te hahalala hoe inona moa ny tena tiantsika atao amin’izy ireo?.
Fampiasana ankizy
Voalohany aloha, ao anatin’ny tontolo iray dia misy fandavana ireo olon-dehibe tena sahirana hiasa, dia hita koa anefa etsy an-kilany fa voatery miasa ny ankizy mba hitondra ny anjara birikiny amin’izay hahavelona ny fianakaviany. Azo inoana ve ny fampiasana ankizy any amin’ireo firenena manankarena indrindra eran-tany? Mifoha amin’ny dimy maraina i Henriette, zokiny indrindra amin’ny ankizy enina mianadahy. “Miara-mifoha amin’i Neny aho”, hoy izy, “satria tsy maintsy mifoha mba handefa ireo mpiray tampo amiko rehetra ho any an-tsekoly.” Roni, indray, dia manangona varahina eny amin’ny fanariam-pako, na maina andro na morana andro, mba hanampiana ny rainy tsy an’asa. Mirenireny eny amin’ny toeram-panorenana i Joël, mitaditady foana izay fitaovana mety adino eny, na fitaovana hafa mety ahazoan-drainy tombony. Ankizy iray hafa koa manatitra entana any amin’ny mpivarotra, ny hariva, rehefa avy mianatra. Taraiky be izy vao tafody, reraka avy nanosika bisikileta lehibe loatra, sy mavesatra loatra aminy. Ireo namany indray, amin’ny hariva, dia mandrotsaka taratasim-barotra any anaty vata fasian- taratasy. Hahavelona azy ireo, dia mandeha mioty voninkazo jonquille any amin’ny toerana an-kilometatra maromaro lavitra ny misy azy ireo i Lucien sy ny rainy, manomboka amin’ny telo ora maraina ,amin’ny vanim-potoana fahavokarany, izay ho hamidin’izy ireo eny amoron-dalana indray avy eo. Ao amin’ny tanàna iray manodidina an’i Paris ao, misy ankizy maro miaraka amin’ ny renin’izy ireo, mikarama any an-trano amin’olona mampisahana asa. Mandravaka zavatra plastika amin’ny loko misy poizina izy ireo: “Rehefa nanao izany nandritra ny adiny iray ianao, hoy izy ireo dia marary ny andoha anao.” Ny iray tamin’izy ireo, roa ambin’ny folo taona, dia nilaza taminay hoe: “ Voalohany aloha, raha ny tenako, tsy maintsy manao an’io aho mba hisakafo, ara-dalàna izany amiko, fa raha tsy izany, tsy mahazo izay mahavelona ahy aho, sa ahoana?”
Milanja andraikitra sy tebiteby izay manaisotra ny fahazazany sy ny fahatanorany ireo ankizy rehetra ireo
” Ny tranoko, tsy atao hoe trano.”
Tena tsapan’izy ireo tsara ihany koa ny toeram-ponenana tsy mendrika ny maha-olombelona misy azy ireo . Milaza zavatra betsaka momba io ny andram-piainany, ny nofinofiny. Andeha ary isika hihaino azy ireo.
“Tokony hisy fakàna rano eo an-toerana.” “Mba te- hipetraka amin’ny tanàna milamina sy madio aho, misy lakozia lehibe ary tsy misy soratsoratra eny amin’ny rindrin’ny tohatra.” ” Toa tsara mihitsy raha mba mipetraka any amin’ireny toerana ahafahan’i Neny mihira ireny izahay! ny reniko ange ka tia mihira be e!” ” Nipetraka tany amin’ireny tanàna tsizarizary ireny ny renin’ny renibeko, ny renibeko indray dia nipetraka tao anatin’ireny fiara-trano ireny.” « Raha sendra manana fanaka tokony haloa vola ianao ka tsy afaka nandoa azy, dia misy ramose tonga dia maka azy indray. Ireo kesika sisa no tavela ao an-tranonay. ” Mangamanga ny trano tiako hipetrahana. Matetika ange dia miloko volon-davenona ny trano e” “Ny tranoko , tsy atao hoe trano, tsy misy varavarana” …
“Tany am-pianarana, tsy nahay nianatra aho.”
Manakana ny ankizy tsy hianatra any an-tsekoly ny fahasahiranana, ny fanilihana, ny fanambaniana: anisan’ireo alefa mitodika any amin’ny fampianarana manokana izy ireo, ireo izay zara raha mahatratra sy tsy hahatafahoatra na oviana na oviana ny fampianarana teknika arak’asa. Izy ireo no ireo tratra farany mandany ny fotoam-pianarany any amin’ireo sampam-pianarana antsisintosin’ny fanabeazam-pirenena. Sahala amin’ny ankamaroan’ireo ray aman-dreniny, izay tsy tonga tany amin’ny fifehezana ny fanoratana sy ny famakian-teny akory.
Ny tena zava-doza dia ny tsy fisalasalana fa tsy manampy ny zanaky ny Tontolo Fahaefatra hahatakatra ny maha-izy azy, ny zavatra iainany, ny sekoly, na ny hizarana izany amin’ny hafa. Mirakitra zava-misy hafa nohon’ny hiainany ny fahalalana omena azy any. Voaheloky ny fahamenarana izy any: menatra ny vatany, ny fitafiany, ny toeram-ponenany, menatra ny fahatsapana ny fanaovana ho tsinontsinona ireo ray aman-dreniny, menatra ny fahasamihafana goavana mampisaraka azy amin’ireo hafa. ” Mihanihany ny rehetra rehefa tsy mahay mamaky teny ianao …” “Tany am-pianarana, tsy nahay nianatra aho, be zavatra loatra tao an-tsaiko; Mieritreritra foana ny any an-trano aho, any amin’ny reniko, any amin’ny mpiray tam-po amiko , ahoana izahay raha tsy manana trano intsony ? ” Ary hoy i Valentin taminay: ” izaho ilay ao ambadiky ny hafa rehetra ; tsy afa-manoatra ny mpampianatra, tsy hitany aho!”
Fa ny tena ratsy indrindra dia ny fomba hitondrana ny fianakaviany: “Tsy hahavita izany ianao; ahoana mihitsy moa, ny ao amin’ny fianakavianao anie ka olona tsy misy ilàna azy daholo e!”Tsy misy afa-tsy ny fialokalofana ao anatin’ny fikatonana na anatin’ny herisetra sisa ny an’io zaza io, amin’ny faniriana hoe: “Tsy andriko ny handao ny sekoly handeha hiasa sy hanome vola ny reniko”.