Miditra amin’ny demokrasia

Te hiditra ao amin’ny tantarantsika ny fianakaviana mahantra fadiranovana, ary mba horaisina  tena maha izy azy amin’izay. Tsy ho ny mahantra intsony, antony andraisana fepetra, fa mpiara-miombona antoka, mpiara-mandray andraikitra amin’ny fepetra raisina mikasika azy. Mba te hiditra amin’ny demokrasia amin’izay izy ireo.

Fa midika inona moa izany hoe miditra amin’ny demokrasia izany? Tsy mbola ndeha hamela-pandrika azy ireo indray akory isika. Tahaka izay naha vela-pandrika  ny fanomezana azy ireo mofo sy lasopy sady nanao hoe : « Amin’izay ianareo dia ho velona, izahay no mamelona anareo. » Tolorana fiaraha-midinika izy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, ary ilazana hoe : « Indreo ianareo fa efa tafiditra amn’ny demokrasia ka maka hevitra aminareo izahay », izay mety ho fitaka ihany koa.

Tsy mihevitra aho, ary na ny fianakaviana koa aza tsy mihevitra, fa i Eoropa, ny mpiray tanindrazana aminy, dia nikasa ny hamitaka azy rehefa nanapa-kevitra ho azy ireo ny vary mora, ny fanomezana, ny fanampiana. Mety ho hitan-dry zareo indray, rehefa nifandimbindimby teny ny taranaka, fa tsy izany akory ny miaina.

Nentiny teny hatrany ny fahatsiarovana nandritra ny taonjato maro ; saingy fahatsiarovana tsy mba nojeren’ny tontolo manodidina satria fahatsiarovana tsy mahay miteny. Fihetsika no baikoiny, fihetsika lalim-paka any amin’ny fianakaviana, saingy na izy ireo aza tsy zatra mapiharihary azy. Ny tenin’ny fianakaviana rehetra, ny fanazavana rehetra omeny ankehitriny dia mety niloatra avy anya m-pon, avy any an-tsainy : mety ho izany, satria ankehitriny izy dia afaka mifampizara ny fiainany amin’ny Mpirotsaka an-tsitrapo izay mivelona eo akaikiny, mpirotsaka an-tsitrapo izay tsy mitsahatra miteny aminy hoe : tantarao amiko, hazavao amiko, ento any amin’ny ray aman-dreninareo aho, any amin’ny raibe sy renibenareo, any amin’ny mpiray tampò aminareo. Amin’izay isika dia hiaraka mandray ny fahatsiarovana, ny tantaran’ny havanareo. »

Izay nokobonin’ny fianakaviana tany anatiny tany, amin’ny maha fahatsiarovana mangina azy, nampitaina tamin’ny fianakaviana, tamin’ny samy fianakavina ihany, dia tsy nanome tsiny anay izy raha tsy nandre azy ireny. (…)

Saingy tampoka teo, lasa nijery azy ireny, nanontany ny fahatsiarovany, nanosika azy hamboraka tsirairay izay tena naharary azy mafy, hilaza ny antony itenenana, mbola tsy zatra an’izany ny fisainana ka mety ho fanararaotam-pitokisana izany.

Ao amin’ny demokrasia tsy lehilahy sy vehivavy no ampitenenina tsirairay ; omena fotoana izy, omena fitaovana, omena rafitra ahafahany mandinika, izy samy izy aloha, mba hanangana hevitra iombonana. Lainga daholo ny fanao hafa noho izany, fandrika, fandisoana ny demokrasia.

Izany no mahatonga ny ATD Quart Monde, na aiza na aiza no misy ny fianakaviana, hamorona miaraka aminy ny Oniversitem-bahoaka, sehatra ahazoany, izy samy izy, ary koa atrehin’ny olom-pirenena azo itokisana, mandinika sy maneho mazava ny tantarany, ny fahatsiarovany. Fahalalana, fikarohana, fanomezana endrika izay, mihoatra ny sisa rehetra, mendrika ny antsoina ho « oniversitera ».

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.