Miditra amin’ny tsara indrindra eo amin’ny zanak’ olombelona

Manomboka amin’ny zavatra tena sarotra isika : mametraka amin’ny lalana ho takatry ny ankizy mpitrongy vao homana faraidiny, ny fahalalana : ny tsara indrindra amin’ny zanak’olombelona. Izay mavesa-danja indrindra amin’ny zava-drehetra, ny foto-javatra : anisan’izany ny tafitan’ny olombelona ny fandrafetana azy, ny fisaintsainana azy, ny famoronana azy, eo anivon’ny fisiany, ny traikefany ary ireo zavatra noraiketiny an-tsoratra ao anaty boky (…) Tsy nanao angamba isika afa-tsy ireo, nahefa zavatra  isika  angamba araka izay ilaina ho amin’ny ho avin’ny mpitrongy vao homana faraidiny.

(…) Tsy azo avadika ho vola ny fahafahana amin’ny alalan’ny ady hevitra , amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana. Azo avadika ho vola [kosa anefa] ny fahafahana eo amin’ny fisaintsainana lava sy lalina  momba ny zavatra rehetra fantany mandritra ny vanim-potoana mifanesy, ny amin’izay zavatra  noheveriny sy noforoniny  tsara indrindra, ny amin’izany nafindrafindrany amin’ny taranaka maro [mifandimby]  tonga taorian’izy ireo. Taranaka iray isika, isika mpitrongy vao homana faraidiny, isika izay tsy manam-bintana afaka hanangona ireo lova ary izany no mahatonga antsika tsy hanana fiarovana, tsy hanana fahafahana  hifehy ny fiainantsika ary sady tsy hanam-pahefana no tsy hanan-teny hotenenenina.

(…) Tsy inoako ny fanafahan’olombelona ary ny zanak’olombelona tsy mahafehy ny tsara indrindra amin’ny fiainany, ary izany tsara indrindra izany, na tiana na tsy tiana, dia izay famindrana nataon’olombelona ao anaty boky, ao anaty soratra,  ao anaty sikotra, ao anatin’ny soritra samihafa, izay navelany ka manohy miteny mamakivaky ny taonjato mifandimby, harem-be tsy hita pesimpesenina izay maha izy azy ny olombelona ary hasina  midadasika mamaritra azy ary raiki-tampisaka aminy.

(…)  Iroa ny tena adintsika, iroa no tsy maintsy  tarihina. Misy olona  nampahatsiahy antsika  fa amin’ny endri-pitondrana sôsialista  na endri-pitondraba kapitalista, hita fa mitovy ny arakarakisan’ny mpiasa afa-miditra  amin’ny oniveresitÿ. Izany no famantaran’ny ambarako matetika : ny tontolo na inona na inona endriny dia eo am-pelantanan’ny sarangam-piarahamonina hatrany ary izay eo an-dohan’ny fitondrana na inona na inona endriny, dia mipoitra amin’ny tontolo iray ihany, izay notefen’ny oniveresitÿ iray ihany ary  nahazo fiofanana fototra iray ihany.

Mila mitarika ady izay tena adintsika tokoa isika, ary isika tsy mila miantehitra amin’ny hafa. Afaka miantehitra amintsika isika raha toa ka voafehintsika tsara ny fahiratan-tsaintsika, ny fanjohian-kevitsika, ny tetikasantsika ary ny fiainantsika. Isika irery ihany no mpanao ny fiainantsika. Isika, ary isika tsy afaka hanantena fahagagana ataon’ny rafitra iray izay mety hilatsaka tampotampoka eo an-dohantsika ka mety hanova tanteraka mihitsy ny zavatra rehetra. Indrisy anefa , tsy tanteraka mihitsy  izany.  Raha tsy miady isika amin’ny fahafahantsika , tsy hahazo fahafahana mihitsy isika. Raha tsy miady isika ho  amin’ny enti-manana amin’ny fahazoana azy, tsy ho afaka hahazo azy mihitsy isika.

Izany no lesona atolotra antsika amin’izao hariva izao ary ilaina hotsakotsakointsika : manomboka manafaka ny tenantsika isika ary manafaka ireo manodidina antsika, ary, manokana amin’izany ireo zanatsika, nony injay miady saina isika  amin’ny fampahitana amin’ny alalan’ny boky ireo haren-dalina  eo amin’izao tontolo izao.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.