Nisy toe-javatra iray nitranga tamin’ny fahazazako
tena nitondra akony lalina teo amin’ny fiainako.
Tamin’ny fotoana nisian’ny fahoriana nianjady taminay.
Inona no antony?
Tsy fantatro ankehitriny :
efa milevina miaraka amina fahatsiarovana maro hafa
ao anatin’ny saiko amin’ny maha olombelona ahy izy,
ary mandrary an’ireo zavatra maro be
mifamahofaho ao amintsika ao,
izay antsoina hoe alahelo, fahoriana, hagagana, hakiviana.
Fa ny mbola tavela ary matetika mitsinkafona indray,
ka mampahatsiahy ny tebitebin’ny fahazazako, dia ilay vorona maty.
Volamena finch ilay izy
Izahay sy ny rahalahiko no namonjy azy
indray maraina rehefa avy niservia lamesa aho,
nanomboka tamin’izaho dimy taona, na ririnina na fahavaratra,
teny ambanin’ny lalana Brault,
teo amin’ilay toerana izay iandronan’ ny ranomaimbo
rehefa miakatra ny ranon’i la Maine
ka mahatondraka ny zaridaina sy ny trano ivaivan’ny Bon Pasteur.
Tsy isalasalana fa nandositra ny tranony io vorona io.
Naratra ilay izy, ary tsy nandositra akory rehefa nalainay.
Nanjary sakaizanay ilay izy, tsy nisy fanehoam-pitiavana azy tafahoatra,
tahaka ny fihetsiky ny mahantra nomena zavatra ka tsy mahay
izay fanao rehefa miteny hoe misaotra.
Tonga àry ny andro naha fadiranovana anay mianakavy.
Tsy vitan’i neny intsony ny nandamina ny tokantranonay
nefa hatrizay tsy nekeny mihitsy ny hahatonga azy ho fisoko
“Ampirimo ity, ampirimo itsy, fafao, mikisaha ianao hamafako ny latabatra…”
Latabatra tokana no anamboaran’i neny ny legioma, anomanany ny sakafo,
ametrahany ny fitaovam-pihinanana, andaharany ny vilia sy sotro,
anaovanay ny entimodinay ny hariva,
amakianay boky, -izay mahasorena azy:
Mbola tsy vita foana ve ny vakiteninao nefa ny asa betsaka e!”
Mampalahelo i Neny! Aorian’ny sakafo hariva sy ny alakamisy,
dia vitainay ny fampidirana ao anatin’ny baoritra itoerany
ny anjara taratasin-tsigara Zig-Zag-nay
amin’izay mba samy mahazo vola kely.
Izany fotoana izany ve no nahatonga ahy tsy hahatanty sigara
sy ny mikasika azy rehetra?
Tamin’ireny fotoana ireny anefa tsy nanao io asa io intsony izahay.
Ny hariva, nipetraka fotsiny teo izahay,
talohan’ny hatory, tsy misy sahy miteny,
tahaka ireny ilay hoe hitera-doza hafa ireny indray ny feonay.
Mbola ho any am-pianarana ve izahay? Asa, tsy fantatro intsony!
Tsaroako i Martin kely zandriko
izay tsy nanao afa-tsy nitomany.
Tahaka ireny ilay nitsaha-nihodina ireny fotoana ho anay,
tsy nisy zavatra nisy vidiny intsony.
Tahaka ireny maty ireny izahay.
Nitrongy vao homana isan’andro izahay.
Hafiriana no naharetan’izany?
Fotoana fohy ihany angamba, saingy navesatra loatra ka tena loza
ka niraikitra ao amin’ny fahatsiarovako
ary maka toerana faran’izay lehibe ao.
Eny, angamba tsy naharitra afa-tsy andro vitsivitsy izy ireny.
Raha tsy izany dia tsy maintsy ho potika izahay ankizy na ahoana na ahoana,
ary afaka nandositra ny fahorian’i neny.
Angamba mihitsy moa
efa nisy fotoana nandosiranay azy.
Nefa indray andro dia niverina ny masoandro,
tao amin’ilay efitrano fonenanay
vao amin’ny efatra ao, na dia amin’ny fahavaratra aza , dia rakotry ny aloka.
Nanao ahoana ny fiposany?
Tamin’ny alalan’ny vaovao tsara ve, sa fanomezana, sa teny mamy?
Tsy fantatro intsony.
Fa nizotra ara-dalàna indray ny fandehan’ny fotoana,
nody tsikelikely ny aina,niverina tamin’ny laoniny – toy ny taloha – ny zava-drehetra.
Tsikaritray tamin’izay fotoana izay
fa tsy nihirahira intsony ilay vorona.
Natopinay moramora tany amin’ny tranony ny masonay,
meloka izahay satria tsy nikarakara ilay sakaizany.
Naninona àry izahay no tsy niraharaha azy?
Satria ve tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny
dia tsy mba afaka nanampy anay izy?
Fa angamba kosa aloha
satria navesatra loatra ny fahoriana
ka niato daholo ny zava-drehetra, ny fotoana, ny fihetsehampo, Andriamanitra:
“Raha nisy Izy ! Tsia, aleo kokoa Izy tsy misy,
satria tokony ho nompainay.”
Hoy Rtoa Duburguois tamiko.
Fa ilay vorona aloha dia maty.
Matin’ny hanoanana,
Ho azy dia vita teo ny fiainana, hadinonay izy.
Tahaka ny nanadinoanay ny misasa,
ny mihinana, ny miteny, ny mivavaka.
Raha ny fahitana azy dia dila ilay oran’ny fahoriana,
saingy tsy maintsy maka ny toerany daholo indray ny zava-drehetra.
Tsy maintsy niverina tsikelikely
nandray ny andraikitra maha reny azy i neny, reny tsy manana ahiahy, reny matoky tena.
Tsy maintsy miverina maka ny toerany ny manana aina sy ny zavatra.
Ny fifandraisana amin’ny mpiara-monina,
ny tafahoatra loatra mety ho nataon’ny reninay,
tsy maintsy notsoahiny tsikelikely ireny.
Ary indrindra manoloana ny naterany , tsy maintsy hadinoina
ny fahasorenana, ny fifandisoan-kevitra
izay teraka tamin’ireny fotoana ireny.
Izahay koa mba tafaverina indray tany an-tsekoly,
niverina namonjy lamesa maraina be.
Nanao ny Zig-Zag indray izahay.
Tsy mahazo manadino mivavaka intsony izahay.
Tsy maintsy nisasa izahay, tsy nahazo nametraka korontana teo amin’ny latabatra.
Tsy maintsy naverinay ilay fomba fiainanay fahiny.
Fa mety ho vita ve ny mamerina tahaka izany,
rehefa diso sesimototra loatra ireny toe-javatra ireny
tahaka ny mahazo ny mahantra?
Ahoana no ahafahana miainga indray hatrany
aorian’ireny fotoana niatoana ireny
ary mbola tsy mety kosehina ao an-tsaiko ny marika
navelan’ilay vorona maty tao an-tranony,
ny rantsan-tongony kely miforitra manondro lanitra,
tahaka ny porofo mivaingan’ireo fahoriana
mbola tsy nanakom-pery akory dia efa miverina sahady.
Refa mijanona tampoka lava izao ny fotoana,
rehefa mamela marika lalim-paka ny toe-javatra,
mety ho vita ve ny hijery ny zavatra sy ny manana aina
tahaka ny fijerin’ny olon-drehetra,
ny hamonjy ny fotoana very,
ny handamina sy hametraka indray ny zava-dehetra amin’ny toerany?
Ho vita ve ny hino fa misy lamim-piainana,
fa azo aorina ny fiainana, azo atao ny miaina?
Tsy matoky izany aho,
afa-tsy raha ohatra angaha ka sendra fitiavan-dehibe manodidina ny tena.
Eo am-panoratana ireo teny farany ireo aho dia tsy afaka ny tsy hieritreritra
ny fitiavana nomen’i Kristy ny tsy misy mpiahy.
Mba hizaran’izy ireo io fitiavana io miaraka Aminy, dia naka ny toetran’izy ireo Izy,
nataony tonga teo amin’ny fiainany Izy,
niaina ny fiainan’izy ireo Izy.
Izany no nahatonga azy Ilay Mandrakizay nanjary nanam-petra.
Izy koa dia niaina ireny fotoana niato ireny,
naaton’ny loza, ny antambo,
ny tebiteby tsy misy farany.
Dia lasa ohatra ny maty Izy ao amin’ny ankehitrinin”ny mahantra.
Isaky ny misy loza, isaky ny misy antambo,
noho ny fanenjehana sy famelezana am-pitaka,
dia mainka koa Izy nitovy tamin’ny mahantra,
mandra-pahatongany teny Golgota,
nanjary Izy no ilay faran’izay nijaly indrindra.
Tamin’io ora io ny fitiavana no nandresy ny fahantrana
ary tafiditra any amin’ny Mandrakizay ny mahantra.
Noho izany nanomboka teo – ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra -,
tsy ho irery intsony mihitsy i Kristy:
raha mandray Azy dia mandray ny mahantra rehetra,
raha manampy Azy dia manampy azy rehetra, raha tia Azy dia tia azy rehetra.
Ry namako, na iza na iza isika dia mitory fitiavana.
Fantatsika fa ny fitiavana ihany no hany hamorona
fotoana vaovao ho an’ny mahantra,
ary, noho ny fitiavana, dia tsy hisy intsony na iray aza, olona efa antitra,
hanadino fa indray andro nahasafotry ny fahoriana
dia ohatra ny niato ny fotoana ho azy sy ny ankohonany,
ary ny marik’io fiatoana io dia vorona maty.