Raha tsy maintsy takarintsika ny dikan’izany hoe gaga, matahotra
manantena koa anefa , dia tamin’ny famangian’ny anjely ny mpiandry ondry, tsy maintsy manontany ny mahantra indrindra amin’izao androntsika izao isika.
Izy ireo, raha ny marina, no tsara toerana kokoa hanazava izany amintsika.
Izy ireo no manambara amintsika fa tena mitovy tamin’ ny fiainan’ny mpiandry ondry tamin’izany ny fiainan’izy ireo..
Toy ireo mpiandry ondry ireo, mahantra indrindra tamin’izany fotoana izany, izay tena natao tsinontsinona sy nailikilika.
Na any Frantsa, na any Eoropa, toy ny tany Israely koa,
nolazaina fa ny mahantra dia toy ny tsy misy ,eny fa na dia amin’Andriamanitra aza.
Tahaka ireo mpiandry ondry ireo, ny mahantra indrindra amin’izao androntsika izao dia tsy tafiditra any amin’ny Fiangonantsika akory.
Toa anay koa, hoy izy ireo, tsy nisy te hahalala koa ny mpiandry ondry tamin’izany ary ny teninay dia heverina ho tsinontsinona eo anatrehan’ny fitsarana.
Ho an’ny mahantra rehetra,
na vanim-potoana oviana na firenena iza , dia mampahory foana ny trano fonenan’izy ireo.
Etsy ny trano bongo sy lava-bato, ery tanàna-fadiranovana,
ary ny firenirenena etsy sy eroa no anjarany, amin’ny fotoana rehetra, , toy ny olom-boahozona.
Amin’io fotoanan’ny fanisam-bahoaka resahin’ny Filazantsara amintsika io dia maro dia maro tamin’ireny ny mpirenireny.
Nifanerasera tamin’izy ireny i Josefa sy i Maria, teny an-dalana ho any Betlehema ary ankehitriny dia lasa iray ihany izy ireo.
Lasa iray ihany izy ireo, Satria izy ireo koa dia sady tsy nampandrosoina, no tsy noraharahiana, no tsy noraisina tao amin’io tanàna io, izay tanànan’ny tranon’i Davida, izay tranon’izy ireo ihany koa.
Lasa olona tsy manan-kialofana, tsy fantatra anarana,
nampitoviana tamin’ireo izay tsy nanantenaina na inona na inona
ary natosika sy mbola atosika foana mandrak’ankehitriny, any ivelan’ny tanàna.
Ahoana àry no hiheverana fa ireo mpiandry ondry , izay nailiky’ny rehetra, no lasa nofidin’Andriamanitra satria ve izy ireo nandray an’i Maria sy Josefa ary Jesoa?
Ahoana no nahafahan’ny olona nieritreritra tany Israely
fa izy ireo no iraka voalohan’ ny Zanak’Andriamanitra, naterak’i Maria?
Eo anoloan’ny iraka toy izany,
Meteza isika hipetraka eo amin’ny toeran’ny mahantra amin’izao fotoana izao haminavina izay mety ho eritreretry ny mpiandry ondry tamin’izany.
Imbetsaka izy ireo no nandre tamin’ny olona fa tsy miraharaha azy ireo Andriamanitra. Kanefa na izany aza dia tsy azon’izy ireo nosakanana ny fanantenana adala nifoha tao am-pon’izy ireo rehefa niteny tamin’izy ireo ny anjely hoe: “Ny Mpamonjy, dia i Kristy, no teraka eto Betlehema.”
Avy hatrany dia nino izany izy ireo,
satria efa niandry izany hatrizay,hatry ny ela,
fa ny mahery hiongana amin’ny seza fiandrianany, ary hasandratra ny voahosihosy, ny manetri-tena sy ny ory.
Kanefa ny mahantra indrindra (…), ny mpiandry ondry dia nahafantatra fa tsy hinoana izy ireo.
Nila famantarana izy ireo, nomena famantarana na dia iray ihany aza, vao sahy nitory ny vaovao nahavariana tamin’ny vahoaka rehetra.
Ary ho famantarana, dia hoy ny anjely tamin’izy ireo:
“Hahita zaza voahodidina lamban-jaza mandry eo amin’ny fihinanam-bilona ianareo”.
Ny naha-iraka tsy nitokisana teo imason’ny vahoaka Jiosy dia efa zavatra iray sahady, fa hoe mahantra no manambara, ary maika moa fa zaza mahantra no lazaina fa Mesia, dia tena fanozonana ny mpiandry ondry tamin’ny eso tokoa, ka niampangana azy ireo ho niteny ratsy an’Andriamanitra, satria tsy nisy na dia iray aza teo amin’ Israely afaka nanaiky fisehoan-javatra tsy nampoizina toy izany.
Nino ireo mpiandry ondry, ary nankany amin’ilay lava-bato.
Ary tany izy ireo dia nahita, tamin’ny mason’Andriamanitra sy nino tamin’ny fon’Andriamanitra.
Nino izy ireo fa io zaza io, na dia teo aza ny fiaviany, ny fahantrany, dia ho mpanjakan’ny Jiosy izy io, ary izy, tamin’izany sy mandrak’izao, dia efa Mpamonjy an’ izao tontolo izao sahady.
Ankoatra izany koa, nahatsinjo ireto mpiandry ondry ireto
fa io zaza tao amin’ny tranonomby io dia hanana namana tsy hahasaraka azy mandritra ny androm-piainany,
dia ireo manetry tena, ireo madinika, ireo tsy manan-jo,
ary izay hatao amin’ireo dia hatao amin’ny tenany ihany koa.
Efa tsinjon’izy ireo sahady
fa izay manaraka an’i Jesoa dia tsy misy saron-tava, tsy misy fitaka,
izy ireo no hanao ny rariny ho tena ady mafy indrindra
sy ny fitiavana ho fototry ny olombelona rehetra.
Izany no holazain’ny mpiandry ondry amin’ny manodidina azy.
Handeha izy ireo ka hanambara izay nambaran’ny tafiky ny lanitra hoe: “Misy fiadanana eto an-tany raha mifankatia ny olona. ”
