Ny fahamarinana hafahafa

Raha eo amin’ny tranga miovaova foana ny tena, manano sarotra ihany ny fitantanan-kevitra,  raha miaina ny tena eo amin’ny faribohitra lavitra sy tsy voakarakara tsara  ary

raha ny tena manatsinontsinona ny manodidina izay tena tsy mahafantatra anao mihitsy raha tsy manohintihina azy. Mba hanamafy ny zon’ny tena,   tsy maintsy ilaina ny mahafantatra azy ary  tsy maintsy ilaina koa ny mahay miaro tena na manao izay hahitana mpiaro, tsy maintsy  ilaina ny mahay mamoaka hevitra..

Mba hanamafy ny zon’ny tena, tsy maintsy ilaina koq ny mahalala ny momba ny tena ary manao izay hahatompon’andraikitra amin’ny ho avinao.toraka izany koa ny an’ny fianakavian’ny tena.

Mba hanamafy ny zon’ny tena,  ,  tsy maintsy mahay mametraka ny tena, araka ny rariny, hanana toerana amin’ny fomba feno eo anivon’ny vondron’olombelona..

Hitantsika fa izany rehetra izany dia tsy mety tanteraka eo amin’ny “Quart Monde”izaymniaina ao anatin’ny fiankinan-doha, ao anatin’ny harefoana, ao anatin’ny fangaihaizana izay mahatonga azy ireo hamoy ny zony izay tokony homeny hasiny hany ka vao mainka mampietry ny tenany  bebe kokoa.

Araka izany, ny raim-pianakaviana  izay maty vady ary izay, manoloana sy mifamaly amin’ny zava-drehetra, miady irery amin’ny famelomany ny zanany.

Amin’ny maha mpiasa tsy voamarina ara-dalàna satria, manao lahasa tsy misy tambiny marina, tsuindraindray atao amin’ny fomba ùiafina, ary indrinndra amin’ny fomba mahazatra   efaina amin’ny fomba fohy,  tsy misitraka fanampiam-panjakana ho an’ny fianakaviana satria tsy voambara ho isan’ny tsianasa. Na dia izany aza, ,ny mpanampy ara-piarahamonina dia nanatona nihaona aminy  ary nanandrana nikarakara ny toe-pisiany. Saingy, ny navaliny azy dia hoe : hataoko inona ny filako olona, izaho dia faka mikarakara tena samirery ; tsy ilaiko tsy hanao misaotra tsy inona.

Na isika ihany koa dia tsy mahazo ny dikan’ny fandavana ny fomba fanao ilaina mba hahazoana ny zon’ny tena. Na dia izany aza, tokony ho azontsiuka vinaniana ny fangaihaizana hadikan’ny fiankinan-dola amin’ilay mpanampy ara-piarahamonina, manoloana ny sampan-draharaha misahana ny tsy fananana asa. Isika dia tokony mankatò sy mankasitraka ny fitroarana tampoka miantso fahamendrehana, amin’ny fankatoavana ny zo maha olombelona malalaka tsy inona. Aleo mosary toy ieay henatra, tsy inona, …

Eo amin’ny ambaindain-draharaha rehetra izay tsy ananan’ny olon’ny Quart-Monde fitompoany feno ny zony ankatoavina hatraiza hatraiza ho an’ny olona rehetra, izany fanesoran-javatra izany dia mitondra hatramin’ny toe-tsifahamendrehana vao mainka manamafy izaitsizy ny fanilihana izay manosika azy ho lavitra kokoa  hatrany amin’ny fahantrana sy ny habadoana.

Ny fanesoran-jo dia mametraka ny olona eo amin’ny tontolo izay tsy ahefany na amina na amin’inona, izay tsy ahafahany mihaona amin’olona, tsy ahafahany mitoky aman’olona. Izany dia mitarika azy amin’ny tsy filaminana maharitra sy amin-tahotra. Manoloana izany tahotra izany, misy mamaly amin’ny alalan’ny fisafoaka, ny sasany amin’ny alalan’ny fikatonana sy fandosirana.

Toraka ny fianakaviana izay, sasatry ny fifampitohizan’ny fahavoazana samihafa, voatery niharan’ny fisintonana ny zanany rehetra, noho ny fanelanelanan’ny sampan-draharaha misahana ny fiainan-piarahamonina, afa-tsy ireo zanaka telo nateraka farany. Manomboka eo, voatampin-dalana mafy ny tokotany.  Raha misy miantso, avy any aorian’ny fefy ihany Ramatoa no mamaly, ary amin’izany tsy misy famohan-dalana. Raha toa ka tsy maintsy hivoaka izy dia ahidy an-trano amam-panalahidy mihitsy ny ankizy, na dia ilay zokiny valo (8)  taona izay voafetra ny fotoana iverenany ao an-tokantrano, tsy mandeha any an-tsekoly ihany koa. Mihataka amin’ny fiarahamonina ny fianakaviana, mandavoray am-pamaranana ny fanilihana nampiharina aminy. Izany fihetsika dia, indray andro, tsy maintsy hiteraka fahatongavan’ny pôlisy, mbamin’ny fanapotehana ny varavarana, ary koa fidirana an-keriny hisintomana ny ankizy mipetraka ao ary hametrahana azy ireo koa hotantanan’ny sampan-draharaha mpanampy ara-piarahamonina.

Aey ny sasany, hoy isika, mamaly amin’ny alalan’ny fitrorana, ny sasany amin’ny fisotroana. Ary vao mainla mitombo amin’izany ny hantsan’ny tsy fahazoana sy ny fanilihana, ary ny tontolo manodidina , raha ny aminy,  lasa raiki-tahotra ka maneho ny famalianyamin’ny alalan’ny fampihatahany bebe kokoa ireo izay efa nariany. Ary toy izany no mifatratra ny toe-javatra ratsy fihodinkodina isian’ny tsi-fanajana lalàna sy ny fanilikilihana.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.