Tontolo iray makarakara,
ka azon’ny olon-drehetra atao ny miditra hanoro, hibedy, handrahona…
azon’ny olon-drehetra atao ny mitsofoka amin’itsy sy ho an’iroa :
ny asa, ny fahasalamana, ny toe-bolan’ny mpianakavy,
ny isan’ny ankizy…
izay tafiditra ao, avy dia mihevi-tena ho mpiandraikitra ny fanahy, ny vatana sy ny fo.
Jeren’ny ankizy daholo ireny olona rehetra
mifandimby miditra ao aminy ireny,
ny sasany mitrerona ny rainy, ny sasany manoro hevitra ny reniny,
ny sasany mandrahona an’izy mivady:
“Ianao mampirafy”, “Ianao mandany vola loatra”,
ary mandrakariva dia miampy ny hoe:
“…tsy ho ahy akory izany, tsy raharahako mihitsy….
fa ho an’ny zanakareo.
Raha tsy miova ianareo dia hotsoahina aminareo ireo…”
Amin’io ny ankizy dia mahatsapa tena ho voarohirohy…
Fantany fa any aminy no miantefa ny fandrahonana
ary, mba tsy hiheverany izany ho vazivazy,
dia hisy tanana hipetraka eo an-dohany ary hisy hiteny aminy hoe:
“Tianao ve ny hametrahana anao any amin’ny Fiahiam-Panjakana?”
****
Tamin’io andro io ilay zaza dia nijery
tamin’ny masony navandravandran’ny tebiteby ,
maso vonton’izay rehetra nozakainy tao anatiny tao,
teny mampivarahontsana, zavatra efa hitany…
Tsy nitomany izy, tsy mitomany intsony izy.
Sady angaha moa izy tsy efa lehibe ka tsy tokony hitomany intsony?
Tsy fantany angaha fa tahaka izany foana
no fitenin’ny lehibe amin’ny ray aman-dreniny?
Saingy misy zavatra anankiray tsy azony mihitsy:
nahoana àry ireny olona ireny no tsy mba miteny tahaka izany
amin’ilay ramatoa mpivarotra enta-madinika,
amin’ingahy mpampianatra, amin’ilay ramatoa mpivaro-mofo
na amin’i Mompera?
Indray andro, reny mihitsy ny resaka hoe
tahaka ny ankizy ny ray aman-dreniny…
Izay angamba ve no anaovana azy ireo tahaka izany?
* **
Nilalao baolina ilay zaza…
Io zaza io, tsy iza fa i Elisabeth, 8 taona.
Nianjera izy fa tsy nikiakiaka.
Nisy nikasika ny sandriny, fa tamin’izay, mbola tsy nitomany ihany izy,
saingy lalina loatra ny fikonainainany hany ka
hitan’ny olona rehetra fa tapaka mihitsy ny sandriny.
Taitra ny renibeny, nalainy ilay zaza
ary, avy hatrany dia nentin’ny mpiaramonina tany amin’ny hopitaly.
Tsy nitomany mihitsy i Elisabeth teny an-dalana.
Tsy mahazo mitomany fa efa 8 taona.
***
Ny hopitaly… ny efitrano fotsifotsy… ilay ramatoa miakanjo fotsy…
Madio ! Madio anie izany !
Teny mamy vitsivitsy ataon’ilay ramatoa miakanjo fotsy:
“Iza ny anaranao?” “Aiza ianao no mipetraka?” “Hay ve…”
Dia fahanginana.
Hitany tampoka ny tanan’ilay zaza,
tanana izay hadinon’ny renibeny ny nanasa azy talohan’ny handeha,
noho ny hatairana
tsy tsikariny io tanana io raha tsy efa fantany
fa avy ao amin’ilay kartie tsizarizary etsy akaiky etsy i Elisabeth.
Dia niova feo ilay ramatoa tsara fanahy tery am-boalohany:
“’ity lotonao e! Tsy mahamenatra ve
ny manana tanana maloto tahaka izao?”
“Tsy mahagaga!, hoy ilay ramatoa vao niditra, niakanjo fotsy,
mitovy daholo ry zareo avy eny, samy voretra daholo.
Tena mahonena ny manana ray aman-dreny tahaka ireny!”
Teo kosa i Elisabeth
izay mbola tsy nitomany mihitsy hatramin’ny nianjerany
dia nanomboka nifokofoko…
Ny hakelezan’ny taonany, ny sandriny izay naharary azy,
ny masony toy ny masom-boronkely kaodikaody…
Nanjavona daholo izany rehetra izany
manoloana ilay tanan-jaza maloto
avy etsy amin’ny kartie tsizarizary
ary satria nitomany ihany rakalakely nony farany
dia mbola nisy tanana indray napetraka teo amin’ny lohany
dia nisy niteny hoe:
“Mampalahelo ilay zazavavy kely!”
Nefa anie tsy zaza mijaly i Elisabeth.
Eo ny reniny, eo ny rainy, samy tia azy daholo.
Misinkim-ponitra izy mba hampiadana azy…
***
Tamin’ny krismasy, nolokoin’ny dadany ho an’ny saribakoliny
ilay posety kely
Ary indraindray, ny harivan’ny fandraisany vola,
dia mitondra vatomamy ho azy izy.
Matetika ny reniny no mihafy
amin’izay izy sy ny anadahiny mba mihinan-kena,
satria matahotra izy sao mandraiki-marary eo koa ry zareo.
Koa nahoana àry ilay indray mandeha iry izy no nandre ramatoa niteny
momba ny rainy sy ny reniny hoe:
“Ireny olona ireny ve! Tahaka ny…..
Miteraka betsaka izy amin’izay mahazo vola.”
Tsy azony mihitsy ilay hoe mihafy ny reniny noho izy
nefa koa mahazo vola noho izy.
Efa henony koa tamin’ny fotoana nankarary an-drainy
fa nisy olona nitsara azy ho kamolahy .
Tsy namaly ny rainy na dia kely aza, fa nony hariva ny andro,
alina be izy vao nody, sady nivazavaza, nivazavaza mafy dia mafy.
Dia mba nivazavaza koa ny reniny :
nivazavaza tamin’ilay mpiara-monina avy any Alzeria,
izay tsy tokony ho niala tany mihitsy, satria io no nampisotro ny vadiny.
Ny namany no nahalalan’i Elisabeth ny ampitson’iny
fa tany amin-dry zareo ny dadany no naha alina azy
ary niara-nitomany tao izy roalahy.
Tohina ianao rehefa mandre hoe lehilahy lehibe no mitomany.
Ny ankizy ihany no noheveriny ho mitomany.
Angamba marina ihany ilay hoe zaza ny rainy!
Manahirana ka! Lehilahy lehibe io… nefa dia zaza.
Mihafy izy ho an-janany…
ary noho izy ireo no ahazoany vola.
***
Indray mandeha koa, tao ambadiky ny tamboho, nisy vehivay roa niresaka
ary nisy ampahan-dresaka nipaka tany an-tsofiny :
“ Ireny olona ireny! Tsy mba tia ny zanany,
Tsy misy ifamatorany aminy afa-tsy ny kibony,
tena fitiavam-biby.”
Nokarohina foana izy nandritra ny andro,
ary tsy niteny tsy nivolana nony nody ny hariva, nilanja loha.
Mbola nangina indray koa izy.
Nony tao am-pandriana dia henony tsara ny reniny
niteny tamin-drainy hoe:
“Tsia, tadidionao tsara, fony ianao tany amin’ny Fiahian’ny Fanjakana,
fahoriana tahaka ny inona moa no niaretanao tany…
Tsia, manana ny reniny ny zanatsika;
tsy tiako izy handeha hilasy amin’ny fialan-tsasatra…”
Avy eo dia nolazainy ihany ny tena antony marina:
“raha ohatra àry izy ka tsy haveriny amintsika intsony eo?…”
Resin-tory i Elisabeth.
Tao amin’ny nofiny, nokarohiny izay endriky ny reny tena reny,
nolazain’ilay ramatoa mantsy fa tsy tena izy ilay azy.
***
Nandeha nilasy ihany anefa i Elisabeth tamin’ny fialantsasatra.
Tafaverina avy any Angletera niaraka tamin’ny ankizy rehetra izy.
Tany anaty lamasinina, tsy nikasika sakafo izy nandritra ny andro,
notahiriziny daholo na mofo , na gatô , na vatomamy :
“homena an’i Neny ireto.”
Nihaniadana ny fandehan’ny lamasina
nihovitrovitra kely dia nijanona.
Teny an-tanany, nifangaroharo daholo ny sakafo keliny…
“ Neny, hoy ny antsoantsony, Neny!”.
Ny ankizy rehetra efa teny amin’ny reniny daholo.
Fa i Elisabeth kosa nandroso kely dia nijanona.
Nanjoretra tampoka izy, tsy mba teo ny reniny.
Reraka tokoa mantsy ny reniny, lanaky ny fitondrana vohoka fanineniny,
dia niditra roa volana tany amin’ny Foibe Pauline Rolland,
tena tsy afa-nanoatra.
Nefa tsy fantatr’ i Elisabeth izany.
Dia natolony an’ilay vehivavy mpanabe nanaraka an-dry zareo
ny vatomamy, ny gatô, ny mofo,
izay rehetra nokajiany ho an-dreniny:
“Ireto, ento ho anao…”
***
Tao amin’ilay sady fiara no fonenan-dry zareo,
dia nisy ramatoa tonga nitsidika an’i Elisabeth sy ny reniny.
Ary hoy ity ramatoa ity tamiko kelikely taorian’izay:
“Mahatsiravina, halan’io kalakely io ny reniny.”
Tsy novaliako izy. Tsy ilaina tsinona izany!
Tena sarotra loatra ny manakatra ny hevitry ny zavatra sasany!
Read Download