Rariny ao am-po

Iray volana marina sisa dia ho tonga ny 17 oktobra, « Andro maneran-tany ho fandavana ny fahantrana lalina », ity kabarin’i mompera Joseph Wresinski itydia mampahatsiahy antsika ny hevitra nomeny ilay fihetsiketsehana natao tany Paris, ny 17 oktobra 1987. Ny mpikambana tao amin’ny Firohotana tany Pays-bas, nivory tao Heerlen, tamin’ny 15 novambra 1986, no nitenenany ary nohazavainy tamin’izany ny antony nanosika azy  hanolotra ho an’ny Firohotana ilay tarigetra hoe « Rariny ao am-po », ho an’ny taom-pikatrohana 1987 ho fanamarihana ny faha 30 taonan’ny namoronana azy. Ny fikatrohana izay hifarana tamin’ny fitokanana, ny 17 oktobra 1987, teo amin’ny tokotaniben’ny  Fahafahana sy ny Zon’ny Olombelona, ny takelabato iray ho fanajana ny olona ianjadian’ny fahantrana lalina 

 «  Ahoana àry no ataon’ny olona mba tsy hahatorotoro ny fony raha mahita ny zanako mijaly any an-tsekoly ? »… « Ahoana no ataon’ny mpampiasa mba tsy hananany fo antra ka hahasahiany mandroaka ny vadiko ? »… « Ahoana no ataon’ny mpanampy ara-tsosialy mba hahamafy ny fony sy hanao ny tsy rariny ka hiampanga ahy tsy ho reny tsara. Ny tena hiakan’ny fianakaviana, ny hiakanareo, ianareo fianakaviana aty Pays-Bas, angaha moa tsy io  indrindra aloha ? « Ahoana no nataony mba hananana fo handratra antsika, hanao tsinontsinona antsika,hanambany antsika, hampahatsiahy antsika tsy an-kijanona fa isika dia tsy misy ilàna antsika na kely aza ?

« Tsy rariny, izany mihitsy aloha no tsy rariny, » hoy ianareo matetika rehefa tafahaona any amin’ny toeram-piompiana any Wijhe isika. Ny tsy rariny voalohany, ilay tsy maintsy atsahatra voalohany, dia ny tsy rariny ao amin’ny fo.Io no tsy rariny mahatsiravina indrindra izay mahatonga ny olona hihevi-tena ho ambony noho ny olona iray hafa, hihevitra ny tenany ho manan-jo hanao tsinontsinona azy.

Tsaroako ilay reny holandezy avy ao Coevorden izay nitantara tamiko fa fony izy mbola zaza, zatovo vavy,  dia tao anaty lakambe no niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny. « Ny tao aminay tsara, nadio », hoy izy tamiko, fa tsy nino izany ny olona tany an-tanàn-dehibe. Nataony tsinontsinona izahay, noheveriny izahay fa tsy madio ary ny ankizy niara-nianatra tamiko  dia tsy afaka tonga nilalao niaraka tamiko teo amin’ilay lakambe ».

Io tsy rariny ao am-po io, io tsy rariny eo amin’ny mason’ny manodidina izay nahatonga an’ilay zazavavy, lasa vady sy reny koa taty aoriana,  hahalala ny tsy rariny hafa rehetra dia ny tsy rariny amin’ny lalàna. Fantany ankehitriny  hoe nahoana izy, miaraka amin’ny fianakaviany no voatery hipetraka any amin’ny ampahan’ny tranobe efa ho folo taona izao no miandry fanavaozana.Miandry izy isan-taona  satria tsy maintsy mitsitsy ny tanàna. Nefa dia tsy maintsy ilay tranobe ipetrahany foana no voafafa ao amin’ny toebolan’ny tanàna.

Tsy rariny mivandravandra satria misy fianakaviana tsara fidiram-bola mahazo fonenana mendrika avy amin’ny tanàna.Fa ilay reny kosa dia mahalala hoe avy aiza io tsy rariny eo amin’ny fitantanana ny tanàna io.Ny fonksionera mikarakara an’io antontan-taratasy io any amin’ny biraon’ny Lapan’ny Tanàna dia mbola zaza tamin’izy zazavavy. Ary vao tany an-tsekoly dia nolazaina tamin-dry zareo fa teny amin’ny lakambe dia nisy olona, nisy ankizy tsy madio nipetraka ka tsy azo atao ny miara-milalao aminy. Tamin’ny mbola ankizy ireny fonksionera ireny dia tsy mba nianatra ilay rariny ao am-po izay milaza fa ny anikzy hafa rehetra dia mpiray tampò, namana.

Noho izany, ankehitriny, ahoana moa no hisian’ny rariny any amin’ny antontan-taratasiny, any amin’ny lalànany ?

Io reny noteneniko taminareo io, izay nitantara izany rehetra izany tam-pahatsorana tanteraka, dia niteny tamiko koa hoe : « Izany rehetra izany, ela dia ela aho no tsy afaka niteny azy taman’olona. Fa androany, eto , dia afaka milaza izay niainako aho, satria eto, mahita olona azo iresahana ».

Ny zon’olombelona aloha dia raharahan’olombelona voalohany indrindra. « Olona azo iresahana » hoy ilay renim-pianakaviana.Ary izany daholo no lazain’ny fianakaviana tonga tao amin’ny toeram-piompiana tao Wijhe. « Eto mahita olona azo iresahana ».

Nahoana moa no afaka miresaka aminy ? Satria manana faniriana lalina izy , mahery vaika, hihaino, hahalala, hizara. Satria ny rariny tsy ao an-dohany fotsiny na any amin’ny teniny, fa ao amin’ny fony. Io rariny io no mahatonga anao handre maharary koa raha marary ilay iray. Raha voahosihosy ilay iray dia mahatsiaro tena ho voahosihosy koa ianao.

Misy teny kely holazaiko anareo momba ireny mpirotsaka an-tsitrapo « azo iresahana » ireny, ireo rariny tokoa raha antsoinareo hoe « maharitra » Maharitra, maharitra amin’ny inona izy ? Maharitry ny rariny ao am-poka mahatonga azy hiasa, hihetsika, hiaina miaraka amin’ny fianakaviana amin’ny antoandro , aryamin’ny alina izy dia mbola mifoha, matahotra soa mbolatsy ampy izay vitany.Matahotraizay tokony ho tanteraka rahampitso mba hampipetraka ny rariny ao am-pon’ny olombelona. Amin’izay mantsy izy dia mba hipetraka koa any amin’ny lalàna.

Ireny « maharitra » ireny, ireny mpirotsaka an-tsitrapo ireny dia nianatra avy amin’ny fianakavian’ny Quart Monde fa ny fahantrana lalina dia fanitsakitsahana tanteraka ny Zon’ny olombelona

Ao amin’ny Quart Monde mantsy dia tsy misy na ny zo hahazo fahalalana, na ny zo hanana asa. Tsy misy na ny fahafahana misafidy ny fonenana, na ny fitaovana entina miditra malalaka ao anatin’ny fikambanana tian’ny tena.

« Tsy mahita anao ny hafa, ohatra ireny tsy misy ireny izahay », hoy ny fianakaviana. Ary ireo tsy misy ireo, inona moa ny toerana ho azy any amin’ny sendikàntsika na ny antoko politikantsika, any amin’ny Fiangonantsika na any amin’ny fikambanantsika ?

Ny fahantrana lalina dia fandavana ny zo rehetra an’ny Olombelona, na ara-politika izany, na ara-toekarena, na ara-tsosialy, na ara-kolontsaina. Ny fianakavian’ny Quart Monde sy ny mpirotsaka an-tsitrapo dia nianatra , nahatakatra izany, niaraka. Ary ianareo koa, namana, izay tonga  nanatona azy, dia nahatakatra izany koa ianareo. Araka izany, tao anatin’ny telopolo taona dia nitombo sy nihanatanjaka ny Firohotana ATD Quart Monde, Firohotana ho an’ny zon’ny Olombelona.Fa ny fikambanana miaro ny zon’ny Olombelona dia maro be manerana ny tany. Samy hafa amin’ireny ve isika ? Mino aho fa noho ianareo, ianareo fianakavian’ny Quart Monde, dia fikambanana tsy mitovy tanteraka amin’ny hafa ny antsika.  Nahoana ? Satria ho antsika,  ny zon’ny olombelona dia tsy misy raha tsy voaantoka hatrany amin’ny fianakaviana faran’izay fadiranovana, hadino tanteraka, faran’izay nakipily, faran’izay nofotsifotsiana.Ary satria ko ho antsika, ny zon’olombelona dia voaantoka, voaaro mandavan-taona raha toa izy ka tsy any amin’ny lalàna fotsiny fa ao am-po aloha voalohany indrindra ary ao amin’ny fiainan’ny olona tsirairay.

Hatramin’ny nivoahana tamin’ny ady Lehibe faharoa, aty amin’ny firenentsika aty Eoropa Andrefana dia nahavita dingan-dava isikaraha ny momba ny Zon’ny Olombelona. Tsy misy afaka mandà izany. Vitan’ny firenentsika ny namorona lalàna tsara. Saingy ny Holandey,ny Belza, ny Alemà, ny Britanika, dia tsy nahatahiry intsony ny idealin’ ilay rariny ao am-po. Tsikelikely teny izy ireo dia resy lahatra fa ny rariny dia azo fintinina fotsiny ho raharahan-dalàna.

Saingy nitsimoka tao am-pon’ny olona kosa ny Zon’ny Olombelona. Nisy olona niady ho an’izany, satria natoky ny toetra sy ny soatoavina tokana ananan’ny olona rehetra ny fony.

Ary tsikelikely teny, tsy tsikaritsika akory, avy amin’io raharahan’olona ho an’ny olona io, avy amin’io raharahan’ny finoana sy ny fo io isika dia nahavita raharahan’ny rafitra politika sy ara-pitsarana fotsiny sisa ho an’ny fiarahamonintsika.

Izany no nahatonga ny fotsika tsy hitenyintsonyrehefa mahita fianakaviana mipetraka amin’ny fisoko, ankizy mijaly tanteraka, akifika any amin’ny lakilasy ho an’ny fampianarana manokana.Tsy nipetrahan’ny rariny intsony ny fontsika hany ka tantintsika ny fisian’ny ray aman-dreny, ankizy, mpiasa milona anaty fahoriana. Ny niafarantsika dia nahavita nanamavo azy noho ny fahoriany. Nomelohintsika izy satria tsy nahazo tombony tamin’ny lalànantsika ;

Ny ATD Quart Monde dia nantsoina hampahatsiahy ny tena tantara marin’ny Zon’ny Olombelona. Ny fianakavian’ny Quart Monde dia mampahatsiahy antsika fa tsy maintsy miverina amin’ny fizotran’io tantaran’ny idealy teraka tao am’pon’ny olombelona io isika noho izy tia ny zanak’olombelona. Ny Zon’ny Olombelon raharahan’ny fo, ny finoana, raharahan’ny sivilizasiona. Raharahan’ny olona tsirairay : Lehilahy sy vehivavy mino fa raharahany izany, izany no anton’ny fiainany, ireny no mpirotsaka an-tsitrapo heverin’ny fianakaviana fa azo ilazana ny zava-drehetra momba ny fijaliana ateraky ny tsy rariny ao am-po, mihoatra lavitra ny fampijaliana mety hateraky ny tsy rariny amin’ny lalàna fotsiny.

1 Lahatsoratra mbola tsy nivoaka. Fonds ATD-CJW 0779/40

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.