Rehefa tafaray amin’ny rariny ny fitiavana.

Ry namana,

30 taona lasa izay no nahitako ny tobin’i Noisy-le-Grand. Fianakaviana 252 no noraisina tao. Tsy nisy mpiraharaha ry zareo tao, nilona tao anaty fahantrana lalina, nihiboka tanteraka, hany ka tonga hatrany amin’ny Ravensbrück ny sain’ i Geneviève de Gaulle raha vao niditra tao.

Ho ahy manokana, ny nanaitra ahy dia ny fandavan’ny fianakaviana ny fari-piainana noterena hiantsorohany. Namorona izao tetika rehetra izao izy mba handresena ny tsy fahombiazana sy ny faniratsirana isan-karazany , saingy aim-bery foana! Tamin’izany no nahitako fa ny fahantrana lalina dia homamiadana tsy nety resin’ny fianakaviana mihitsy na inona na inona herimpony sy ezaka nataony.
Very maina mantsy ny fandavany ny fanavakavahana ny zanany any amin’ny toerana fanabeazana ny ankizy. Very maina toy izany koa ny fiezahan’ny lehilahy hahita asa fivelomana. Na inona na inona fikirizany sy fikaratahany dia tsy tafavoaka ny fahasahiranana ara-bola foana ny fianakaviana. Kivy izy tsy mba afaka manome fanantenana ny tanora sy mamboly fitiavana ao am-pon’ny ankizy. Mifarimbona ny zava-drehetra mba hahatonga azy tsy hatoky ny hoavy.

Izany rehetra izany no nibahana tao am-poko raha vao niditra an’io toby nanirahan’ny evekeko ahy io aho, mandritra ny volana vitsivitsy ihany.

Amin’izao fotoana izao, 30 taona aty aoriana, dia manontany tena aho hoe : “Nahoana aho no nijanona niaraka tamin’ireo fianakaviana ireo, na dia teo aza ny tsy hadisoan-kevitra sy ny faniratsirana tsy nitsahatra niarahanay nizaka”?

Tany am-piandohana dia ny ankizy no nahatazona ahy; izy ireo no nampahalala ahy fa raha tiana hifarana ny fahantrana lalina dia tanana, fo sy saina no ilaina. Toy izany i Nono izay nomeko sokolà ary lasa haingana nizara ilay izy tamin’ny zandriny vavy. Mpitevy ala izy ankehitriny. Tsy fantany akory angamba fa noho izy dia takatro fa ny fitiavana dia ny mitia ny hafa mihoatra ny tena. Na dia eo aza ny hanoanana, ny hatsiaka sy ny tahotra.

Toy izany koa i Gérard izay nikiakiaka noho ny tahotra tao anaty haizina, noho ny toerana tsy nisy herinaratra, izy no nitantana ahy ho any amin’ny hazavana. Izy no nahafahako nahalala fa tokony hambabo ny fontsika ny rariny.
Toy izany koa i Jacques, katita kely vao 10 taona, maty vao tsy ela ny osivaviny. Izy no nampahatsiahy ahy ny ankizy rehetra maneran-tany matin’ny hanoanana. Izy no nampahatsiahy ahy ilay osivavy nentiko isan’andro tany an-tsaha, tany am-pitan’ny lalana Brault, fony izaho 4 taona, amin’izay ny zandriko vavy kely mba mahazo ronono.
Inona no ataonao raha misy zaza milaza aminao hoe :” Maty ny osivaviko, tsy hanana ronono intsony izahay”, tsy ny manome azy osivavy ve?
“Te hitendry lokanga aho”, hoy i Marcel tamiko, indray andro.
Mitady lokanga ho azy, mangataka ny namana hampianatra azy. Ho ahy dia mandeha ho azy izany, satria i Marcel dia sarin’ireo mahantra izay mangataka ny ho afaka mitia izay tiavintsika.
Tia mandihy be i Mathilde. Entiko any Paris izy , tsy lavitra ny Trocadéro, manaraka fampianarana isan’alarobia. I Jocelyne te ho lasa mpianjaika, nasaiko noraisina tao amin’ny lalana Royal izy, tao amin’i Jacques Griff. Te hanana bisikileta i Jacques; ny an’i Nathalie loko sy latabatra fanaovana hosodoko; ny an’ny iray hafa famantaranandro, . Ny an’ny ankamaroany mofo, vola kely; ho an’ny vavikely sasany akanjo vaovao misy voninkazo tsara tarehy…

Nofinofisiko izany amin’ny alina. Tsaroako ilay izaho mbola zaza izay be zavatra tsy nananana. Fa noho ny nataon’i neny dia mba afaka niditra an-tsekoly aho. Izaho koa mba naniry ny hidiran’ny ankizy rehetra an-tsekoly, ny hianarany, ary izany no nijanonako niaraka tamin’ny fianakaviany.
Nitady boky vaovao be ho an’ny zanak’izy ireo aho, nampianariko katesizy sy ny fanoharana ao amin’ny evanjely izy ireo, tao amin’ny kitranotrano kely iray nasaiko nohavaozina ny noravahan’ny mpiasa soedoa.

Nisy ny nahatakatra ny tao an-tsaiko. Saingy maro be no tsy nankasitraka ny nataoko. Nefa dia ireo ankizy rehetra nitady ahy sy nangataka tamiko zavatra tsy nampoiziko velively ireo no namaritra ny lalam-piainako amin’ny maha lehilahy sy amin’ny maha pretra ahy.

Isaky ny mibaliakan’ny hafaliana ny ankizy, ny hasambarako dia ny mahita ny ray aman-dreny milamin-tsaina. Tsapako ohatra ny misy rivodrivo-pahasambarana izany tafiditra ao amin’ny toby Io hasambarana io ihany no ivelomako nandritra ny 30 taona rehefa nihemotra ny fahantrana lalina ka naka ny toerany ny fandriampahalemana sy ny fifaliana,tany Bangkok, tany Londres, tany NewYork, tany Marseille, tany Bangui, tany Port-au-Prince.

Omaly, maro be ireo tsy nitsahatra namerimberina tamiko hoe : ny tena ilaina dia ny mampianatra an-dry zareo hahalala fomba. Tsy ho sambatra mihitsy na oviana na oviana izy miaraka amin’ireo ray aman-dreny ireo. Maninona izy raha tsoahina amin’ny fianakaviany?”
Omaly tahaka ny androany, fantatro fa mendrika ary te ho tompon’andraikitra ny ray aman-dreny. Izany no antony iarovako azy, hazavaiko any amin’ny firaisana, any amin’ny polisy, any amin’ny fikambanana iraisam-pirenena, any amin’ny Fiangonana, amin’ny rehetra rehetra, fa tena be herimpo izy ireo ary tsy iadiany varotra ny fahoriany.

Mazava loatra, nandritra izay 30 taona izay dia tsy tambo isaina ny fahasahiranana mampiditra ny rariny- ao am-pon’ny olombelona. Nanampy ahy mafy tamin’izany ny fianakaviana. Tahaka an-dRamatoa Thommeret dia naverimberin-dry zareo tamiko ny hoe : “Ianao no namerina taminay ny hajanay”
Nisy mpirotsaka an-tsitrapo nentanin’io idealy io koa nanaraka ahy. Ary ianareo, ry namako, ianareo no niantoka fa ny tolona omaly dia ho tolon’ny rahampitso.Tsapanareo fa niainantsika ilay lalan-davitra be ho fanajana ny zon’ny mahantra. Tsy ho maso manao tsinontsinona azy na oviana na oviana intsony no hijerena ny fianakaviana, tsy horaisina na oviana na oviana intsony ho toy ny mpiangavy izy.Noho isika dia tsy isalasalana fa sambany hisy ray sy reny hahita indray fahatokisan-tena, hivondrona, hanangana fiainana mendrika ho an’ny taranany.
Raha fintinina, noho isika rehetra, manankarena sy mahantra, ny ady amin’ny fahantrana lalina dia nanjary ady ho an’ny haja amam-boninahitra.

Ry namana, nandritra ny 30 taona, betsaka ny Noely niainantsika, ny Noely tsara indsrindra maneran-tany!
Manomboka izao, ny olona rehetra, na inona na inona fari-piainany, dia hamela ny fony ho tia ny rariny.Misy lalana misokatra io, avelaontsika ny hafa mba handeha eo, amin’izay any aoriana any, dia ho nofy ratsy sisa izany hoe fahantrana lalina izany.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.