Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay.

Izao kosa indray no fomba nilazan’i Mompera Joseph tamin’ny teny fohy
ny anton’ny   Firohotana ATD-Quart Monde.

Tsy mpamorona izahay fa mpandova fotsiny. Efa nisy nanomboka, ao anatin’ny Eglizy ankehitriny, eto Frantsa sy manerana ny tany, nanangana Firohotana manatona ny mahantra sy ny vahoaka voailikilika. Olona tahaka ny Abbé Godin, i mompera Depierre, ny Abbé Pierre izay nanokatra varavarana, nitsofoka tany amin’ny totolon’ny fahantrana lalina. Izahay dia tafiditra ao anatin’ny rivo-panahy sy rivo-pisainana baikoin’ny fo, fa tsy rivo-pisainana fotsiny loatra, izay tafahaona tamin’ny mahantra sy ny olon’ny fahantrana lalina. Firohotana miady ho an’ny fiadanana, ho an’ny sakafo, ho an’ny rariny, ireny tolona sy asa ireny dia mifandray any amin’ny toerana miahy ny olona faran’izay voahitsakitsaka. Tsy mpamorona izahay, na dia tarihin’ny fahantrana lalina ho amin’izany aza, mpampivoatra angamba izahay.

Aiza no misy ny tena mampiavaka anay ? Tamin’ny fotoana niantombohan’ny Firohotana Fanampiana ny Voina Rehetra – Quart Monde dia natoky tena ny fiarahamonina ; nihevitra ny rehetra fa ny fandrosoana miaraka amin’ny fanampiana dia hanafoana ny fahantrana lalina ary handeha ho azy izany ka tsy ho azo ihodivirana, tsy nisalasalana ny fandresena. Ahoana moa no hahafahana mino ny teninay, any amin’ny ambaratonga rehetra any, ao anatin’ny rivo-piainana toy zany ? Io ny olana goavana tsy maintsy nosedrainay. Tao anatin’io rivo-piainana io ny Abbé Pierre no nampivoitra ny zava-misy iainana’reo faran’izay mijaly ; ny an’ny ATD-Quart Monde io dia nafantony tamin’ny fianakaviana. Fahasahiana izany satria fotoana nanombohan’ny fiarahamonina tsy niraharaha ny fianakaviana ; na ny mpanao asa sosialy na ny fahefam-panjakana dia mbola tsy nahazo foana ny antony anomezanay lanja manokana ny fianakaviana. Naninona izahay no mamikitra mafy amin’ny fianakaviana ? Ny fianakaviana no hany fialokalofan’ny olona rehefa tonga ny tsy fisiana ; ao sisa no mbola misy olona handray azy, ao sisa izy no mbola olona. Ao anatin’ny fianakaviana izy no manana ny maha izy azy. Ny havany, ny zanany, ny vadiny, ny namany…ho azy dia ireny sisa no sehatra farany ho an’ny fahafahany. Na dia esorina aminy aza ny zanany, ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitodika hatrany amin’ny olona naterany. Raha manome lanja an’izany zava-misy iainan’ny fianakaviana izany izahay dia lazaina fa olon’ny taloha, nijaly izahay noho izany nefa tsy nanaiky ho voahozongozona.

Fa ny tena andry niankinan’ny Firohotana hatrany am-piandohana dia izahay izay tsy nanan- katolotra afa-tsy ny tenanay. Tsy tompon’inona na inona izahay, tsy fikambanan’ny HLM izahay, tsy mpiasa ara-tsosialy avy amin’ny sampan-draharaha iray. Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tratranay sy ny fo nitempo tao anatiny tao. Tena faran’izay tsy kitay tsy vary maina izahay, noho izahay tena tsy ampy fitaovana tanteraka no nahatonga ny fianakaviana faran’izay sahirana handrayanay. Tsy nanana fahefana izahay na iray aza, tsy nanana fahefana ara-politika na ara-tsosialy, tsy nahazo fanohanana na fiantohana avy amin’ antokom-pinoana. Tanam-polo sy tongotra tsy mikiraro no nentinay niditra tany amin’ny atin’ny fahantrana lalina. Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny maha izy anay izahay, vehivavy sy lehilahy tapa-kevitra ny hanokana ny fiainany hiara-miady amin’ireo nakifika ho any anaty fahantrana lalina. Ny olona, ny fanandratana ny olona no tanjona tokana ho anay. Ireo fianakaviana miaina ao anatin’ny fahantrana lalina, hatrany am-boalohany no efa nokasainay ho lasa mpiaro ny havany.Niainga avy lavitra izahay, tsy nanana olom-pantatra, voafatotry ny fiainan’ny fianakaviana tsy manana na inona na inona. Maro be tamin’izy ireo no tsy nahalala afa-tsy fahasahiranana, habadoana, aretina, tsy fananana asa, ary tsy maintsy koa voatositosika sy voailikilika. Ny notadiavinay dia ny hahatonga ny tolona ataony ho lasa antoky ny hamerenan’ny fiarahamonina azy ho ao anatiny indray ka ho tompon’andraikitry ny tenany manokana, ny zanany, ny fiainany, ny teniny. Ny kendrena amin’io tolona io dia ny hijoro ho vavolombelona fa rehefa mety ho olona dia mahavita zavatra daholo : tsy misy olona na iray aza azo lazaina ho tsy misy ilana azy intsony. Raha afaka mivelona ao anatina firaisam-po sy firaisankina ny mahantra, na dia hodidin’ny fahantrana lalina hatraiza hatraiza aza izy, raha vitan’ny madinika ny manambara fa tsy ny fandaniana sy ny tombontsoa ihany akory no hany hery manosika ny fiainana sy ny fiarahamonina, dia tontolo vaovao araka izany no atolotra ny olona rehetra, fanovana hatrany ifotony ny fijery. Fifandraisana manana endrika hafa sy tolona manana tanjona hafa no natolotray.

Tsy tambo isaina ny fahasahiranana manoloana ny tetikasa toy izany. Fahasahiranana avy amin’ny fiarahamonina mpanankarena, mpanefohefo, tsy te hijery na tsy afa-mijery intsony ny fahantrana lalina lazainy fa efa voaravany. Voatery izahay nijoro ho vavolombelon’izay renay, izay hitanay,

izay niainanay. Tsy ampy ny nanambara tamin’ny fo io fijoroana ho vavolombelona io ; tsy maintsy natao izay hahazoan’ny sain’ny olona tamin’izany manakatra azy. Izany no nanery ny Firohotana hanangana ilay Foibe Fikarohana. Nambaranay mazava niaraka tamin’ny porofo teo am- pelatananay : tsy hoe mbola misy foana fotsiny ny faran’izay mahantra, indreo izy eo afovoantsika, fa noho ny zavatra asainareo hiainany dia izy ireo no vavolombelon’ny tsy nanarahanareo ny zavatra naharesy lahatra anareo manokana, ny fanambarana nataonareo, ny filamatrareo.Ny namoronana ny Foibe Fikarohana dia asa politika amin’ny heviny feno ; nanakiana miaraka amin’ny porofo izy ary nanolo-kevitra. Nanamarina koa izy fa ny mponina etsy an-daniny dia mahavita mampivondrona ny olona avy amin’ny tontolo rehetra hanohana izay hevitra mitombina ka hahafahan’izay faraidiny misahana ny andraikiny. Noporofoiny fa tena manohitra tanteraka ny zony ny misakana an’ireny fianakaviana ireny tsy handray ny andraikiny amin’ny fianakaviana, amin’ny fiarahamonina amin’ny politika ary amin’ny finoana.

Lafiny iray hafa tsara marihina dia izao : manoloana io fiarahamonina manankarena izay mitady tsy hijery ny fahantrana lalina, ny Firohotana hatrany am-piandohany dia efa nisafidy ny hisokatra amin’ny finoana rehetra, hisokatra amin’ny politika rehetra… fa tsy hoe handà ny finoana na handà ny politika ; tena samy hafa be izany. Efa niainako ny tombontsoa azon’ny katolika, sy ny mpino amin’ny ankapobeny ; nitarika azy hitia ny hafa ny fanabeazana azony. Rehefa tojo Firohotana maro tsy nahavita niady ho an’ny fanafahana ny mahantra indrindra aho, na dia izany aza ny faniriany, dia noheveriko fa adidintsika mpino ny tsy maintsy manolotra ho an’ny olona rehetra ny tombontsoa azontsika. Ho ahy, ny olona rehetra, na iza izy na iza, na inona finoany, na inona heviny, na inona kolontsainy, dia zo sady rariny sy hitsiny ho azy ny ho afaka midina amin’ny zanatohatra farany ambany indrindra eo amin’ny fiarahamonina. Sarotra ny mieritreritra ny fahasahiranam-be aterak’izany ho an’ny olona tsy nahazo ny tombontsoa manokana azontsika izay miaina ao anatin’ny sehatra misy antsika, isika izay zanaky ny Eglizy iray. Rehefa mety ho olona dia tokony hahavita mamadika ny fianakaviana iray faran’izay mahantra ho lasa sehatra ifanatonana, ho mpitandro ny fanafahana ny olona hafa, ho fianakaviana mamonjy ny namany. Sarotra ho antsika ny manakatra ny fahorian’ireo izay tsy mba nahalala hatramin’ny fahazazany ny fijery mitodika any amin’ny hafa, any amin’ny mbola mahantra kokoa, izay manana fari-piainananofidian’i Kristy manontolo tsy nisy tavela, rehefa manoloana ny fahantrana lalina izy ireny. Momba izany koa dia tsy azontsika an-tsaina matetika ny zava-bitan’ny Eglizy amintsika.

Ilay mpirotsaka an-tsitrapo voalohany, frantsay, tsy mino an’Andriamanitra, hatramin’izao dia tsy manana, manoloana ny fahantrana lalina, afa-tsy ny rariny sy ny fitiavan’ olona lalim-paka Mikiky sy manimba azy ny tsy fahombiazan’ny fianakaviana. Tsy afaka mihoatra an’izany izy, tsy vitany ny hanaiky ny tsy fahombiazana, satria ho azy dia tsy misy ny mihoatra ny tsy fahombiazana. Raha milaza aho fa rariny ny fisokafana amin’ny finoana rehetra ho an’ireo izay tsy mba nahazo tombontsoa ka voataiza hanana fijery mitodika any amin’ny hafa, tsy mirakitra fahafahampo velively izany teny izany. Ao amin’ny olona rehetra dia misy toerana ho an’ny hamoram-po, izay tokony haseho masoandro, hasaina miasa, ary tokony hokolokoloina dieny mbola zaza bodo io hamoram-po io. Avy amin’ny fanabeazana na ny fibebahana no hahazoana ny fanaovana asa fiantrana izay midika ho fitia te hifampizara amin’ny hafa, te hanjary ho ny hafa ka hijaly mafy, hizaka ao anaty izay mampijaly ny hafa, hanova izany fijaliana izany ho fanantenana.

Ato amin’ny Firohotana, mifamatotra avy hatrany amin’ny olona izahay, tsy misy sampan-draharaha na rafitra manelanelana. Rehefa tsy voafetra na voahidy ao anaty Firohotana dia afaka mivelona amina tetikasam-piarahamonina miankina amin’ny hafa, ilay tiana hizarana azy. Amin’izay dia azonao atao ny mametraka ny fianakaviana faran’izay mahantra eo anivon’izao tontolo izao, eo amin’ny foiben’izao tontolo izao. Ny manao izay hahatonga ny olona faran’izay sahirana ho foibe, dia manambatra ny olombelona  rehetra  ao anatin’ny olona anankiray , tsy manodina ny fijery, tsy maneritery ny fahitana, fa mandefa azy hatrany amin’ny fara fitiavana ; ny fitavana anefa tsy misy fetrany, tsy mihiboka izy, tsy azo fehezina, hadalana foana.

Avy hatrany dia tsy maintsy an-kasahiana no ampifandraisina ny olona mahantra indrindra amin’i Jesoa Kristy : iray ihany izy ireo. Avy hatrany dia tsy misy olona na iray aza azo atosika, na manana izy na mahantra, na tompon’andraikitry ny fahantrana mahazo azy izy na voatery miaritra azy. Ao amin’ny Fitiavana dia tsy mba misy  fetra. Samy zanak’olombelona daholo ny rehetra, samy natao hitovy anjara daholo.

Tonga tao amin’ny Tobin’i Noisy-le-Grand aho rehefa ela ny ela ka nanao anakampo hoe : »Tsy ho tafavoaka ny fahantrana lalina samirery na oviana na oviana ireto fianakaviana ireto : hasaiko miakatra ny tohatry ny Elysée, ny Vatikana, ny ONU sy ny Firohotana goavam-be iraisam-pirenena  ireo. Tsy maintsy atao izay hahatonga azy ho mpiara-miombona antoka tanteraka. Vinany tsy misy fotony, hoy ny eritreritry ny sasany, teraka teo amin’io lembalemba ngazana io tamin’ny fisasahan’ny fahavaratra 1956. I Kristy tao  Golgotha dia nijery an’izao tontolo izao ary nanambara fa nandresy azy. Na iza na iza olona mametraka ny olona faran’izay mahantra eo  afovoan’izay hitan’ny masony dia tsy afaka ny tsy hahita ny zava-drehetra, tsya afaka ny tsy hampiditra ny olona rehetra, tsy ho vitany ny hanao an-jorom-bala na dia olona iray aza. Tahaka ny mba nandresy an’izao tontolo izao koa izy.

Read Download
0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.