(…). Tsy ny fijaliana rehetra dia fahantrana lalina avokoa, ny mifanohitra amin’izany no izy! Anisan’ny toetry ny olombelona ny fijaliana, manamboatra azy, manao izay hampitombo azy, antoky ny fahamarinan-toerana ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy sy ara-tsosialy ho azy. Arofanina ho azy koa amin’ny fanoherana ny avonavona, amin’ny fanoherana ny fanamavoana ireo osa, amin’ny fanoherana ny fahadontoan’ny faharetany ara-batana sy ara-moraly, amin’ny fanoherana ny hanirery eo anatrehan’ny olon-kafa sy ny fanadinoany an’Andriamanitra. Manetsika sy mampivelatra ny heriny rehetra izy hampihoarany ny tenany.
Tsy midika velively anefa izany fa tokony ekena na tadiavina mihitsy aza ny fijaliana. Nahita fahoriana sy alahelo be loatra koa aho anefa teo amin’ireo lehilahy sy vehivavy manan-karena, mba tsy hieritreretana fa ny fijaliana rehetra dia mitaky miaraka eo ho eo fizarana sy fandavana. Mitombina izany na ho an’ny manankarena na ho an’ ny sahirana. Indrindra moa fa misy alahelo sasantsany mahatonga ho an’izay miaina izany ho lasa manirery izay mampanakaiky azy ireo ny olona fadiranovana. Ny mahantra, noho ny tsy fananany na inona na inona, dia mety misarika ny fangorahana. Farafaharatsiny raha mbola tsy nahatonga azy any amin’ny dingana tsy misy ahafantarana azy intsony ny fahantrana lalina Mety hijaly ao anatin’ny hanirery ihany koa ireo mpanankarena satria tsy misoratra eny amin’izy ireo ety ivelany ny fahoriana mahazo azy. Manampy izany koa, araka ny nambaran’ilay namana loholona iray izay nanao hoe, “raha fantatry ny olona izahay fa mijaly dia hiatahany. Tsy mahay miresaka intsony amin’ireo tratry ny fahoriana ny tontolontsika. Tsy nianatra izany izy ».
Saingy, mitoetra ho marina ihany fa ny tsy mahantra, , na dia ao anatin’ny fahoriana manirery sy lalina aza, dia manana fitaovana foana hampanantanjahany ny tenany toy ny amin’ ny tranga ratsy- – farafaharatsiny raha toa ka tian’izy ireo ny hanaiky izany. Raha manokatra ny fon’izy ireo amin’ny famindram-po ny fijaliana, dia manana fitaovana izy ireo hanompoana ireo mijaly kokoa noho izy ireo. Heveriko fa i Jesoa dia tsy nanameloka an’io fijaliana io, izay lalana mankany amin’ny hafa.
Ny tena tsy zakany, mifanohitra tanteraka amin’ny sitrapon’ny Rainy, dia moa va tsy ny fanaintainana tsy ara-drariny terena hihatra amin’ny mahantra, ary ambonin’izany koa, mbola hamavoina , esoina, atao fihomehezana, eny hatrany amin’ny tsy ahafahan’ireo voan’izany hampiasa azy intsony entina hanaporofoana ny hasin’izy ireo sy ny fitiavan’izy ireo ny hafa. Ny tsy azony leferina dia ny fijaliana tsy misy lalan-kivoahana ampiharina amin’ireo fianakaviana mahantra indrindra, tsy manana ny fomba rehetra mba hahatonga izany ho loharanom-paharetana, herim-panahy sy ny fanakaikezan’ ny olombelona sy Andriamanitra.
Lasa ny eritreritro amin’ ny fijaliana tsy azo ekena mahazo ireo mpiasa mpitrongy vao homana, nivoaka ny sekoly tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory sady mbola ²teren’ny fiaraha-monina ho menatra amin’izany koa, kanefa tokony naka izany ho anton’ny ady ho an’ny rariny. Tsy araka ny tokony ho izy izany fiaraha-monina tsy manome ho an’ny mponina rehetra ao aminy ny fitaovana ilainy hihoarana ny fijaliana izany, handreseny azy, amin’ny fanalefahana azy na amin’ny fisintonana avy ao aminy ireo antony entiny hampitomboana ny tenany.
. Tsy araka ny tokony ho izy ny fisian’ olombelona miaina ny famoizam-po sy ny henatra noho ny tsy fanaovana na inona na inona, tsy misy ilàna azy ary heverina ho izany mihitsy. Tena tsy zaka tsotra izao ny famelana ireo olona ireo sy ny zanak’izy ireo ho haratsiana, toy ny nataon’ity mpiasam-panjakana iray ana- minisitera ity: “ Toy izao izy ireo, tsy misy fiezahana. Raha mba nanana herim-po kokoa mantsy ry zareo dia nianatra tany an-tsekoly…” .” Manakana antsika tsy hiombona amin’ny fandavan’izy ireo lalina ny fanambaniana ity fampietrena lava ity . Fa aoka isika tsy hanampy azy ireo hanamafy orina izany ao anatiny. . Izany no tena hanirery, no tena tebiteby manempotra ireo fianakavian’ny Tontolo Fahaefatra ireo. Ny tebiteby tsy vita fotsiny amin’ny hoe tsy mahay inona no homena hohanin’ny ankizy, fa mbola hampangaina ihany koa, hamavoin’ny tontolo manodidina noho ny tsy fahaizana mamelona azy ireo, manafy azy, manabe azy…
Ny lahiantitra miraikitra eo am-pandrianany noho ny fahalemena dia tsy iharan’ny fanafintohinana atao aman’olona amin’ny maha-fanafintohinana azy. Raha manana fitaovana faran’izay kely fotsiny izy, dia efa afaka mandray olona tsara ihany, manana namana, ho tonga loharanon’ny fahamboniana sy fahasambarana ho an’ny manodidina azy. Tsy olona mahantra izy; fa manana izy ireo fara faharatsiny ny fahafahany tsy ho izany. Tsy ao anatin’ny toe-javatra tena ratsy fotsiny kosa anefa ny olona ao anatin’ny fahantrana lalina; fa ao anatin’ny toe-javatra mifanohitra mihitsy..
Tsy azo ihodivirana ny fijaliana amin’olombelona ary mety hahavonjy aza izy. Tsy ny iray na ny iray amin’ireo anefa ny fahantrana lalina. Izy dia fanararaotana foana. Tsy izany ve no tian’i Jesoa hampianarina antsika sy izay koa no ampianarin’ireo olona faraidiny eo am-baravarantsika isan’andro? Ny fahantrana lalina dia toetry ny olona izay tsy namelan’ireo rahalahiny fitaovana faran’izay tsotra indrindra hahatsapany sy hanehoany ny tenany fa olombelona izy ary, vokatr’izany, zanak’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fiainany sy ny fijaliany i Jesoa no tonga olon’io fanaintainana manimba io fa tsy manamboatra. Avy aminy izy no tonga vato fehizoron’ny famonjena.
