Voahodidina herisetra tsy misy farany

Raha mitodika any amin’ny lavitra indrindra amin’ny fahazazako aho, ny tadidiko dia efitrano lava be iray tao amin’ny hopitaly, ary ny reniko nivazavaza tamin’ilay relijiozy vavy niambina anay. Satria lahikely saozanina aho ka nampidirina hopitaly mba hanitsiana ny ranjoko.

Tamin’io andro io, nolazaiko an’i neny fa tsy nomen–dry Masera ahy ilay entana naterina ny alahady teo. Tsy maintsy efa nisahirana mafy angamba i neny vao nahavory ireo vatomamy vitsivitsy ireo ka nisafoaka. Teo no ho eo ihany dia notsoahiny tao amin-dry masera aho ary nentiny nody tany an-trano.

Nanomboka teo dia nijanona ho bingo tongotra aho, ary nandritra ny hatanorako manontolo, tsy maintsy niaritra ny fanarabiana sy ny fanesoana naterak’io kilema io, nanahirana ahy koa ilay nikotringa kely, indrindra fony aho adolantsento.

Araka izany, ny fifampikasohako voalohany indrindra tamin’ny hafa ka mbola tsaroako, dia ny tsy rariny sy ny fahavoazana hanamarika ny vatako mandritra ny fiainako manontolo. Tsy isalasalana fa izany no nahatonga ahy tsy hahatanty ny orona misy lelo, ny ranjo bingo, ny vatana mbola tanora efa feno rangotra sahady manodidina ahy androany any amin’ny tanàna vonjy taitra, ny fivangongoan’ny trano baoritra, ny kartie tsizarizay.

Nivazavaza tamin-dry masera ny reniko, tsy nahagaga ahy izany. Ny vazavaza, efa nahazatra ahy izany. Tao an-trano nivazavaza foana i dada. Nokapohiny ny zokinay lahimatoa, ary kivy mihitsy ny reniko satria any amin’ny lohany foana no namelezany azy. Nompainy koa i neny ary niaina tsy an- kijanona tao anatin’ny tahotra izahay.

Efa taty aoriana ela, efa tonga tamin’ny taonan’ny lehilahy lehibe izy ka nizara ny fiainan’ny lehilahy tahaka azy sy ny an’ny fianakaviana tahaka ny anay, vao nazava tamiko fa hay ny raiko dia lehilahy nohitsakitsahina. Nijaly izy fa tsy nahatontosa ny fiainany : nokoboniny tao anatiny tao ny henatra tsy mba afaka nanome fiadanana sy fahasambarana ny vady aman-janany.

Io ilay ratsy amin’ny fahantrana. Tsy misy olona afaka mivelona voahitsakitsaka tahaka izany ka tsy hitroatra. Ny olona mahantra, na androany na taloha, dia mitroatra an-kerisetra toy izany foana.

Nefa, ho an’ilay izaho mbola lahikely, dia io no nampiditra ahy tanatin’ny herisetra mavaivay tsy misy farany. Ny herisetra no fomba navaly ny sakantsakana, ny fahasahiranana isan-karazany sy isan’andro. Ary tsy azoko an-tsaina akory fa ho ahy ny herisetra, tsy misy hafa amin’ny an’ny raiko, dia nanjary fanadiovako tena amin’ny fanitsakitsahana tsy hita isa    nasain’ny fahantranay lalina nozakaina.

Ny mbola mahavariana ahy foana , na efa be aza ny taona nivalona, dia ireto ray aman-dreniko tsy niresaka afa-tsy vola. Ry zareo tsy nanam-bola, nefa dia miady mivady tsy an-kijanona noho ny vola. Raha mba misy vola kely tafiditra ao an-trano, ny fomba handaniana azy no mampiady azy ireo.

Taty aoriana, rehefa irery sisa i neny, dia mbola vola ihany no horesahiny aminay. Rehefa hiresaka momba ny olona nifanerasera taminay noho ny antony samihafa izy dia tsy maintsy miteny foana hoe mpanankarena izy ireny. Ny pretra ao amin’ny paroasy dia holazainy hoe «mpanankarena ireny». Na dia ilay ramatoa fohy kely mpivarotra enta-madinika tao an-tanàna azy dia ho mpanankarena eo imasony. Tsy hoe nialona akory i neny. Fa rehefa noana ny manana aina ka teren’ny tsy fisiana dia izay mahafeno ny banga ihany sisa no misy vidiny. Tahaka izany foana, ary any amin’ny faritra malotoloto manodidina ny tanànantsika any, ny tombontsoa, ny adiady, ny fifamelezana raha fehezina dia mandrakariva resa-bola foana.

Mbola zaza bodo aho dia efa nalefa tamin’io ady ho an’ny sakafo io. Efa-taona aho, ary izaho no no nandroaka ilay osy vavy hankeny an-tsaha teny ambany. Io osy vavy io no namelona anay, ilay zandrinay faravavy vao teraka sy izahay ankizy rehetra.Rehefa nandroaka azy aho dia nandalo teo anoloan’ny vavahadiben’ny tranon-dry masera Bon Pasteur, ary nisy masera iray nanipy teny tamiko teo indraindray. Indray andro, nanotaniany aho raha te hiservia lamesa isa-maraina. Tamin’io andro io aho no voaray hiasa voalohany. Satria dia tena fampidirana hiasa mihitsy ilay izy ho ahy. Mamaly aho amin’ny lamesa dia hahazo kafe misy ronono eran’ny zinga be isa-maraina, miaraka amin’ny mofo, konfitiora, ary amin’ny andro fety, dibera. Ambonin’izany dia homena ariary roa isan-kerinandro aho. Ireo ariary roa ireo no nahatapa-kevitra ahy.

Tamin’izany aho no nanomboka niandraikitra ny fianakaviana, talohan’ny fahadimy taonako. Isa-maraina, efa ho nahatratra iraika ambin’ny folo taona, antsoin’i neny aho ho an’ny lamesa amin’ny fito . Mila folo miniotra raha kely indrindra ny mihazakazaka mankany amin’ilay lasapely, ao ambadiky ny tambohoben’ny tranon-dry masera. Nangatsiaka aho rehefa ririnina, natahotra aho taoanatin’ny haizina. Fa na mandrivotra na manorana, mitambonkona aho, mamon-torimaso, nefa koa mivazavaza romotra, mizotra amin’ny lalana Saint-Jacques, midina ny lalana Brault, mangingina mampatahotra, mankany an-tsaha, handeha hiservia lamesa ao amin-dry masera mba hanomezana efapolo (40 sous) an’i neny. Mino aho fa mbola tsy tapaka tamin’io fihaonana isa-maraina io mihitsy, ary heveriko fa ny fahazazako rehetra dia niorina nanodidina an’io avokoa.

Tsy maintsy tena noana mafy ho anay i neny matoa nanaiky ny handefa ahy toy izany, zazalahy kely, eny an-dalana, isa-maraina. Tsy maintsy azoko an-tsaina koa ny fahasahiranany matoa aho nanaiky io fanompoana io, tsy nivonto fo na nanozona an’Andriamanitra.

Tsy ela akory koa anefa aho dia tsy maintsy miverina mandeha amin’io lalana io indray ny antoandro. Satria izahay no nahantra indrindra tao an-tanàna, tsy mahagaga raha,  isaky ny mirava ny sekoly, dia mbola mihazakazaka mankany amin’ny tranon-dry masera  aho, fa amin’ity kosa dia mba haka sakafo, mitovy amin’izay nohanin-dry zareo, amina lovia be na  boaty vifotsy. Petipoà, voanemba, ovy, indraindray misy hena kely , izany no nomen-dry Masera Madeleine,  tsy hadino koa ny mofo dipaina ngeza be izay hany fototry ny sakafonay mianakavy.

Araka izany, ny andron’ny fahatanorako rehetra dia voasariky ny fiainan-dry maseran’ny Bon Pasteur avokoa, noho ny vavaka nataony sy ny sakafo nomeny, mba tsy hahatsiaro noana ny tao aminay .

Mahatsiaro an’izany aho amin’izao fotoana izao rehefa mandinika ny ankizy mihanika ny fanariam-pako, na manaraka ny saretin’ny rainy, eny an-dalana hitaona entana avy any anaty lakavy naefitra ambanin’ny tafo nodiovina. Ry zareo manao brokantera, mikaroka fatim-by ;  izaho niservia lamesa, niandry ny sakafonay teo am-bavahadin-dry masera. Androany tahaka ny tamin’izany, ny zaza mahantra tsy mba manam-pahazazana,  vao mitsangan-drery izy dia ampandraisina andraikitra.

Tsy isalasalana , fa tahaka ny ankizy mahantra ankehitriny, dia mba nisy koa fotoana nilalaovako sy nihomehezako. Dia  namorona toerana ho ahy aho, fiereko, lalana falehako tsy ampopoizina, any amin’ny kartie ntaolontaolon’i Angers izay nanamboaranay sy ny namako lalana misampantsampana. Saingy efa nisy ilay lalana mankany amin-dry masera tsy maintsy natao isan’andro, lalan’ny henatry ny fahazazako ; io no nikosoka tao amin’ny fahatsiarovako izay mba nety ho fiononana ho ahy.

Lalan’ny henatra, ary mbola nisy hafa koa, mifandray foana amin’ny fitadiavana sakafo tsy misy farany. Azoko an-tsaina ny tenako, zazalahy kely, mamerina ny tavoahangina mena-boanjo  tany amin’ilay ramatoa mpivarotra enta-madinika izay nasaiko nofenoina nandoavako dimampolo santima. Raha tsy nofenoina hatreny hatendakeliny mifampikasika amin’ny  bosoa ilay izy  dia nasain’i neny naveriko mba hofenoina menaka kely atete vistivitsy: ady tsy misy farany sady mahamenatra ataon’ny  mahantra mba hihinanany sy hahavoky azy.

Taty aoriana, tsy maintsy naverina tany amin’ny mpivarokena ireo henan-tsoavaly mafy loatra. Satria nahita asa hafa aho rehefa feno fito taona   : izaho no niantsena ho an’i Marie-Louise, vadin’ny mpivarokena ; ho setrin’izany izy dia nanome ahy saika isan’andro henan-tsoavaly mitentina ariary roa. Notakian’i neny ho tsy maintsy hena vaovao sy malemy izy io. Tsy nihambahamba izy naniraka ahy hiverina raha ilaina, nasainy nosoloina  tsaratsara kokoa ilay izy, miaraka amin’ny porofo eny am-pelantanana, ho an’ny sakafonay mianakavy.

Fa ny henatra kosa koa, natanjaka izahay noho io ary lasa ho azy ny totohondriko nataoko sandan’ny fanandevozana nanery ahy hamelona ny fianakaviako. Tsaroako, fony izaho enin-taona, fa nisy bitika kely nifanandrina tamiko nopotehiko totohondry tao anaty fefy.

Raha tonga tany amin’ilay relijiozy vavy nisahana ny garabola ny reniko, mba hahalala raha afaka miditra any amin’ny sekoly lehibe aho « mazava loatra, hoy ilay masera, alefaso any izy, eto izy,vonoiny daholo ny ankizy rehetra ».

Araka izany, vao voatavo tsy mifandraka dia efa mifamatotra ny tsy fahampiam-bola sy ny henatra ary ny herisetra.

Mbola tsy tsaroako mihitsy izany hoe niverina avy nianatra ka nahita an’i neny mba miramirana izany. Nilaozana izy, ary tsy nahonon-tena amin’ny fizakana samirery ny lanjan’ankizy efatra. Teo koa ny vaovao avy amin’ny raiko, indrindra ny vola tokony ho nalefany, izay tsy tsy tonga. Ny gazy tsy maintsy naloa, ny saribao rehefa ririnina, ny fatana fanafanana tsy maintsy soloina…

Saika nangatsiaka foana tao aminay. Ilay trano fanefena vy nipetrahanay taloha feno rivotra miady. Mitsofoka avy ao ambany varavarana ny rivotra, eny anelanelan’ny rindrina. Kesika nofonosina taratasy no nanaovana ny iray tamin’ireny rindrina ireny . Rehefa rovitra ny taratasy, mifafy aminay ny rivotra.

Nangatsiaka ihany koa satria ny efitrano fonenana rehetra tany ambonin’ny anay tany dia nampifandraisin’ny lalan-drivotry ny fatana tokana monja.Tentsina mtetika io lalan-drivotra io, hany ka rehefa mandrehitra afo izahay, i Thérèse, ilay zanaky ny mpanjaitra, dia midina hanompa ny reniko, satria tafiditra any aminy ny setroka. Mba tsy hampisy olana, notsoahin’i neny tamin’ny fatana ny ny saribao nalainay teny amin’ny fanariam-pakon’ny orinasa mpanao gazy. Nanahirana mafy anay ny nitsimpona an’ireny poti-tsaribao ireny, , nefa noho ny fahantrany angamba dia mainka koa nampihombo fa tsy niady velively tamin’ny hatsiaka nanjaka tao an-trano.

Ahoana ny hanazavana io reniko tsy miraika io, ary io no mbola tsikaritro ankehitriny amin’ny reny mahantra maro be hitako any amin’ny toerana misy fahantrana lalina ? Ny tsy fahasahiany mifanolana amin’ny mpiara-monina dia tsy isalasalana fa avy amin’ny harerahana, fa indrindra indrindra koa avy amin’ny tahotra. Fantatr’i neny fa vahiny izy ary tsy nitsahatra natahotra ny hampodiana any Espana tany niaviany, ny hahatogavan’ny polisy hisambotra anay izay Andriamanitra irery no mahalala ny antony. Tahaka ny reny any amin’ny tanàna vonjy maika izay manahy foana ny hahatongavan’olona hanisy ratsy azy.

Momba an’i Thérèse, ilay zanaky ny mpanjaitra, izay tonga namingavinga azy, mbola kely mihitsy aho tamin’ilay andro nandraisako ilay sotroafo narangarangako taminy sady nikiakiaka aho. Asa loatra izy noteneniko taminy tao anatin’ny hatezeran-jaza, fa nanomboka tamin’izay, ilay afo mahantranay dia afaka niotrika tao anatin’ilay fatana antitra izay efa vaky ny atiny ka notsentsenanay tamin’ny tanimanga nalainay teny amin’ny saha manodidina teny izay nitresatresaka.

Mitaraina any amin’ny hafa foana ny reniko ny amin’izay manahirana azy rehetra, momba ahy, momba ny ahiahiny noho izaho, momba ny maha tratra aoriana ahy any an-tsekoly, momba ahy mbola mamàny am-pandriana. Mbola vesatry ny henatra iray eo an-tsoroko koa io satria fantatry nytao amin’ny kartie rehetra. Tsy mba nafenin’ny mahantra ny feriny. Tsy mahatahiry hery hoentina manafina ny fahasahiranan’ny fiainana mandreraka azy izy.

Nefa dia noho ny reniko no nahafahako niatrika ny fanadinana CEPE. Vitsy   kely taminay, tao amin’ilay sekoly tsy miankina, no tsy nahaloa ny sandan’ny fampianarana, sady izahay no gisitra tao am-pianarana. Noho izany, tamin’ny fanadinana faran’ny taona, dia tsy nety hidi-kizo hanoratra anarana ahy ny tale. Efa tsy nanoratra anarana ny zokiko izy ary tsy nampaninona ny reniko iizany. Saingy rehefa tonga ny anjarako dia tsy nanaiky mora foana intsony izy. Fantany aho fa tsy dondrona, fantany aho fa niantsoroka andraikitra be dia be loatra, be loatra koa ny fahoriako sady miantraika lalina amiko ny tsy rariny. Ho anay izay nandray fanampiana, fa tsy mba izay maintsy nomena anay na oviana na oviana, ny tsy rariny dia mpahazo anay isan’andro vaky. Tsy neken’ny reniko ny mbola hanampiana anankiray indray an’izany. Izy no nampanoratra anarana ahy sy nitondra ahy hanala CEPE.

Ankehitriny vao fantatro ny fanafintohinana sy ny herimpo tsy maintsy  voatahirin’ny reniko mba hiarovana tahaka izany ny zanany. Mbola narovany foana aho, efa tsy hita intsony izay hevitra, nanaovana di-doha, rehefa nanipy teny ny vehivavy mpanao asa soa tao amin’ny paroasy ny hampidirana ahy tao amin’ny Orphelins d’Auteuil. Vinavina ohatra ny mba hendry ihany, saingy ho an’ny ankizy teraka tao anatin’ny fahantrana sy ho an’ny reniny dia manala baràka izany fikasana hanabe azy tsy miaraka amin’ny hafa izany.

Nentin’ny anankiray tamin’ireny fientanam-po ho manan-kambo efa nahalalako azy tsara ireny ny reniko ka nandà. Naleony nafoy ny hamoram-pon’ny mpanao asa soa tao amin’ny paroasy

Tsy miaraka amin’ny hafa, efa toy izany izahay. Mahantra loatraizahay ka efa « natokana » tao amin’ilay kartien’ny madinika, natambatry ny fangatahana, fa tsy ny fifankatiavana.

Tsy izahay irery anefa. Tadidiko ilay ilay reny mamo lava sy ilay zanany lahy tsy misy ray. Rehefa mody izy ny hariva, hitany mitsirara ao an-dakozia ny reniny, sintominy hankeny ambony fandriany dia ampatoriany. Indraindray, tonga ao aminay izy dia asain’i neny miray latabatra aminay mba hiara-mihinana mofo sy lasopy.

Mbola nisy koa ilay mpamosavy. Tsy tiany hijanona teo ambany varavarankeliny ny alika. Izahay ankizy kosa dia nampiasa ny rindriny ho toeram-pamanizana ary nobedesiny izahay. Tianay izy, ary izany no nanadalanay azy. Tsy mba ho nanadala an’i Rétif mpivarokena izahay, na i Cesbron mpandrafitra. Ireny no ngeza tao amin’ny kartie, tsy tao amin’ny tontolonay ireny.

Indray andro, hita maty noho ny hanoanana tao amin’ny tranony tsizarizary ilay mpamosavy. Nandrittra ny dimy ambin’ny folo andro, tsy olona niraharaha azy. Io hariva io, nitomany i neny, satria nety ho nahazo anay izany. «Iza moa no hiraharaha antsika, hoy izy, tahaka an’io koa no hahafatesako.»

Avy aminy ve no nianarako niady, tsy ho valifatin’ny fanambaniana intsony fa ho fanafahana ny vahoaka voailikilika?

Indray andro, anankiray lehibe indrindra tamin’ny zazalahy tao an-tsekoly – Siché no anarany– tezitra be tamina zazalahy kely aina noho izy.Naankiny teo amin’ny rindrin’ny kabone ilay izy ,dia nasiany totohondry sy daka. Inona no nahazo ahy? Avy hatrany aho dia nitsambikina teny aminy, dia mba nasiako daka sy totohondry koa izy. Norangotiko ny tarehiny, mandra-pahatongan’ny mpampianatra nisintona ahy mafy teo.

Inona no nanaovana izany ? Tsinontsinoko velively ilay zazalahy kely endaka, inona ny antony niarovako azy ? Nefa dia izy no voarakitry ny fitadidiako fa tsy ny sazy azoko. Voaroaka ny sekoly aho ; fa zara raha misy tsaroako izay nitranga rehetra taorian’io ady io. Fa ny voarakitra ato an- tsaiko tahaka ny fiovan-javatra dia ilay lahikely nodarohin’i Cliché izay matanjaka lavitra noho izy. Io, araka ny fahitako azy, no fotoana niantombohan’ny ady izay mbola hotohiziko hatrany mandritra ny fiainako manontolo na dia azo antoka aza fa tsy ho tafavoaka mpandresy ahy amin’izany.

Tsy mora velively anefa izay manjary mpiady ho an’ny voailikilika izany, satria tsy ho an’ olona mitsitokotoko no irotsahana ho mpiady: reny mamo lava, mpamosavy, lahikely farofy, etsy sy eroa. Tsy maintsyatambatra ho vahoaka tokana izy mba hihaonako aminy, tsy maintsy mahatsiaro tena hoanisan’io vahoaka io aho, tsy maintsy lasa ohatra ireo kilongan’ny kartie fanariam-pako manodidina ny tanàn-dehibentsika ireo ity izaho efa olon-dehibe ity, oahtra ireo tanora tsy an’asa mitomany noho ny haromotany. Izy ireny no manohy tsy misy farany ny fahantrana lalina niainako fahazaza, ary manambara amiko ny tsy fitsaharan’ny fisian’ny vahoaka misaringo-borodamba.

Ananantsika ny fahefana hampitsahatra an’io fitohizana tsy misy farany io. Tsy hisy intsony ny fahantrana lalina, rahampitso, raha ekentsika ny hanampy an’ireny tanora ireny ho tonga saina manoloana an’ io vahoaka misy azy io, hanova ny herisetrany ho ady voasaina, hampiasa ny fitiavana, ny fanantenana sy ny fahalalana ho fitaovam-piadiana, mba hanatontosa hatramin’ny farany ny ady amin’ny tsy fahalalana, ny hanoanana, ny fangatahana ary ny fanilikilihana.

Tsy ho raharahan’ny fitondram-panjakana fotsiny izany, fa ho raharahan’olona manaiky ny hiara- dalana amin’ny olona voailikilika, ny hampifamatotra ny fiainany amin’ny azy, indraindray manaiky ny handao ny zavatra rehetra mba hiombona anjara aminy.

Read Download
0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.